Fiaraha-monina

Centre de formation professionnelle Soamanandrariny: Namoaka « traiteur » vaovao, andiany faha-13

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro lasa teo, tetsy amin’ny foiben-toeran’ny Centre de formation professionnelle Soamanandrariny, ny andiany « Fitahiana » ahitana mpiofana sivy mianadahy. Nahavita fiofanana momba ny « pâtisserie » sy ny « décoration » ireto andiany ireto. Nomena azy ireo ny mari-pahaizany. Ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Fampi­a­narana teknika sy ny fanofanana arakasa, […]

Hirotsaka ny orana : Entanina ny mponina hanangon-drano

“Manoloana ny mety ho firotsahan’ny orana amin’ity herinandro ity, entanina ny mponina amin’ireo toerana ho voakasik’izany hanangona rano hampiasaina amin’ny fiainana andavanandro”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro ato anatin’ny telo andro ho avy. Tsy ho marin-toerana kosa indraindray […]

Fitakian’ny mpampianatra : Mampanahy ny fiantraikany amin’ny fahaizan’ny mpianatra

Miato mandritra ity herinandro ity ny fampianarana, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manahy ny ray aman-dreny fa hitohy lavareny ny fitakian’ny mpanabe ka hisy fiantraikany amin’ny fari-pahaizan’ny zanany. Ao anatin’ny fialantsasatra voalohany, taorian’ny roa volana voalohany, amin’ny taom-pianarana 2025-2026, ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra nanomboka omaly. Haharitra hatramin’ny 31 oktobra […]

INDRAY MIJERY

Tontosa tao Marseille, Frantsa, ny 16 hatramin’ny 18 oktobra lasa teo, ny fifaninanana «WorldSkills France 2025». Nandray anjara tamin’izany i Mada­gasikara, tamin’ny alalan’ny tetikasa Formapro BTP izay ifantohan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (METFP) ary tohanan’ny AFD sy ny CNEF BTP. Tanora efatra no nisolo tena ny firenena […]

Sekoly tiorka Maarif : Malagasy mpianatra 23 hahazo vatsim-pianarana

Zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny fahazoana va­tsim-pianarana any ivelany. Miisa 23 ny mpianatra ao amin’ny sekoly tiorka Maarif eny Talatamaty hisitraka izany amin’ity taona 2025 ity. Mpianatra 6 no hahazo ny va­tsim-pianarana YTB, omen’ny fanjakana tiorka, ary 17 hafa omen’ny sekoly Maarif. Ha­nainga eto Madagasikara rahampitso izy ireo. Manome fahafahana […]