Fiaraha-monina

Fitaterana an-dalamby : olona 11 000 entanina amin’ny aroloza

Manohy hatrany ny fanentanana ny mponina mipetraka manamorona ny lalamby mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny ozininy ny orinasa Ambatovy. Fiaraha-miasa amin’ny orinasa Madarail, ho fiarovana ny fahasalamana sy ny arolozan’ny mponina manodidina ny toerana iasany, ny antony. Olona 11 000 eo ho eo no entanina amin’izany aroloza izany, amin’ity […]

Governemanta Koreanina : nanome vary 10 000 t, mitentina 9 tapitrisa dolara mahery

Hampitomboin’ny Repoblikan’i Korea avo roa heny ny lanjan’ny vary ho an’ny Pam, amin’ity taona ity. Firenena 11 no tohanan’ny Korea ka ahafahan’ny olona 7 tapitrisa isa hisitraka sakafo. Nanolotra vary 10 000 t ho an’ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny Fandaharanasan’ny Fire­nena mikambana momba ny sakafo (Pam) ny Repoblikan’i Korea. Mitentina 9,4 […]

Fandaharanasa Jica Chair: hisy velakevitra ho an’ny mpianatry ny Oniversite

Manomana famelabelaran-kevitra ho an’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny 12 jolay ho avy izao, ny fandaharanasa “Jica chair” eto Antananarivo. Hiompana amin’ ny lohahevitra roa: ny tontolon’ny fampahalalam-baovao any Japon sy ny vina amin’ny hoavy ny voalohany. 60 taona niarahana niasa tamin’i Afrika i Japon ka hizara ny zava-misy manodidina […]

Fiarovana ny ankizy: nivory ireo komitim-pirenena

Nikaondoha ireo komitim-pirenena ho an’ny fiarovana ny zon’ny ankizy tamin’ity herinandro ity. Nanokatra izany ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsa­rana sady minisitry ny Mpo­nina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanante­nasoa Landy Mbolatiana. Hiandraikitra manokana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo paikady napetraka mahakasika ny fandaharanasa ho fiarovana ny zon’ny ankizy […]

Fampiasana ny teknolojia: mirongatra sy miha tanora ny areti-maso eto Madagasikara

Mirongatra ny areti-maso, toy ny Glocome, manerana ny Nosy. Sady mahajamba no tsy ahitam-panafana izy io. Miha tanora hatrany ny marary noho ny fampiasana ny teknolojia be loatra. Efa marary maso sy manao solomaso sahady ny zaza iray manom­boka eo amin’ny fahafito taonany, fara fahakeliny. Antony mampirongatra izany ny fampiasana […]