Nampahatsiahy sy namoaka fampahafantarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny Apipa. Nasongadin’izy ireo tamin’izany ny momba ny farihin’Anosy. Voatsiahy amin’izany fa mirefy 8 ka hatramin’ny 10 hektara io farihy io. Toerana manan-tantara, eo amin’ny lafiny kolontsaina ary koa ny teknika eo afovoan’ Antananarivo. […]
Fiaraha-monina
Niofana ho Maître exploitant (Mex): Nivoatra ny fiainan-dRamaholiarimanana Vololomboahangy mianakavy
Iray amin’ireo Maître exploitant (Mex) nofanin’ny Agrisud Ramaholiarimanana Vololomboahangy Pascaline, ao amin’ny fokontany Tanetibe, kaominina Analavory, distrikan’i Miarinarivo, tamin’ny andiany faharoa, ny taona 2014. Nanomboka teo no niara-niasa tamin’ny tetikasa izy ary nahatsapa fa nitombo ny velaran-tany nambolena rehefa nanao “courbe de niveau” ary niakatra koa ny lanjam-bokatra. Nihena ny […]
Tetikasa “Mahavotra” : Ho matihanin’ny tontolo ambanivohitra ireo tantsaha
Miara-dalana amin’ny tetikasa “Mahavotra” amin’ny fanapariahana ny teknika agro-écologique ireo Maître exploitant nampiofanin’ny Agrisud tao anatin’ny 14 taona. 500 mahery kely ny isan’ny Maître exploitant nampiofanin’ny Agrisud, anatin’ny tetikasa “Mahavotra”, izay misy andiany dimy, hatramin’izao. Amin’ireo niofana tao anatin’ny andiany valo, 450 mahery no mbola am-perinasa, araka ny fanazavan’ny teknisianina […]
INDRAY MIJERY
Mbola sakana amin’ny ady amin’ny famarinan’olombelona ny tahotra mitoroka. Maro ny antony tsy ahasahian’ny olona manao izany, indrindra ny mety ho fitsaram-bahoaka ataon’ny fiarahamonina. Eo koa ny tahotra ny hifotoran’izany sy ny fahafaham-baraka… Nampitandrina ny amin’ny mety ho fahabetsahan’ny rotsakorana any amin’ny faritra avaratra sy afovoany atsinanan’ny Nosy, ny sabotsy […]
Teleferika: Hofanina amin’ny vonjy voina ny ekipa
10 mirahalahy ireo omena fiofanana manokana hifehy ny fampandehanana ny fitaterana an-tariby na teleferika. Nomena torolalana momba ny vonjy voina ihany koa izy ireo ahafahany miatrika raha sanatria ka misy tranga ilana izany. Iray amin’ireo fenitra 17 fanorenana ny teleferika ny fametrahana rafitra manokana hiarovana ny ain’ny mpandeha. Manaja izany […]




