Anisan’ny CSB nisitraka tombontsoa tamin’ny tetikasa Miarova ny ao Ampataka, izay tarihin’ny lehibeny, Andrianantenaina Princi. Vata fampangatsiahana vaventy mandeha amin’ny herin’ny masoandro no azon’izy ireo tamin’izany. Afaka manao vaksiny isan’andro ny CSB amin’izao fotoana, satria efa arifomba ny vata fampangatsiahana fitehirizana ireo vaksiny ary mandeha andro aman’alina mihitsy izany. Efa […]
Fiaraha-monina
Mpino silamo Chiite Nankalaza ny Aïd al-Ghadir
Nankalaza ny Aïd al-Ghadir ny mpino silamo Chiite eto Antananarivo, ny talata lasa teo. Niara-niombom-bavaka sy nisaotra an’Andriamanitra tetsy Andohatapenaka izy ireo nandritra izany. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-mifety teo amin’ireo mpino ny fotoana. “Fety lehibe ho an’ny mpino silamo izy io satria andro fanehoana sy fampahafantarana ny lehibe mpitarika, […]
Fanabeazana sy fiarenana ara-tsakafo: mpianatra 24 000 hisitraka sakafo any an-dakilasy
Nidinika ny sahanasa iarahana ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny herinandro lasa teo, nandritra ny roa andro. Notombanana ny asa vita ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 ary nojerena manokana ireo sekoly hisitraka ny tohana ara-tsakafo, ao anatin’ny tetikasa fiarenan’ny Rafitra […]
Lycée teknika: vita ny adina hidirana taona voalohany
Mahatratra 50 043 ireo mpiadina manerana ny Nosy niatrika ny fanadinana hidirana amin’ny taona voalohany eo amin’ny sehatry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Notontosaina ny herinandro lasa teo izany, izay naharitra roa andro. Mitsinjara amina foibem-panadinana miisa 183 ireo mpiadina ireo. Ho an’ny LTP Ampefiloha manokana, miisa 1 […]
Vehivavy mitondra vohoka: tokony hanao fitiliana VIH/Sida avokoa
Fitiliana iray tokony hataon’ny vehivavy mitondra vohoka ny fitsirihana ny tsimokaretina VIH/Sida ao aminy raha toa ka mitondra izany izy na tsia, ka hanomezana azy ny fitsaboana sahaza azy. Afaka manaraka fitsaboana ilay vehivavy tsy hamindra amin’ny zaza ao am-bohoka ka ilaina ny fanatonana tobim-pahasalamana misafo sy manao ny fitiliana. […]