Fiaraha-monina

CHU Morafeno-Toamasina: Handray fandidiana mandritra ny hateloana

Hisy ny fihaonan’ireo mpitsabo mpandidy, manam-pahaizana ambony momba ny atidoha sy ny hazon-damosina, izay mivondrona amin’ny Société malgache de neurochirurgie, ao Toamasina. Nanao antso ho an’ireo manana aretinandoha na amin’ny hazondamosina monina amin’ny faritra Atsinanana sy ny manodidina, indrindra ny ao Toamasina, ny tomponandraikitry ny CHU Morafeno. Hisy, hoy izy, […]

Iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : Homena fanampin-tsakafo be otrikaina ny mpianatra

Miantoka ny fahombiazan’ny ankizy any an-dakilasy ny fahalavorarian’ny sakafony isan’andro. Nandray fepetra ny fanjakana fa hividy fanampin-tsakafo ho an’ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ianjadian’ny haintany. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hirosoana amin’ny fepetra manokana amin’ny hanjifana fanampin-tsakafo Kapik’naka. Ny ozinina Nutrisud, natsangana hamokatra ireo fanampin-tsakafo iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any […]

INDRAY MIJERY

Ho an’ny telovolana ho avy, hifanaraka na hana­tombo noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana any amin’ny faritra Diana, Sava, Betsiboka sy ny tapany andrefan’ny faritra Sofia. Toy izany koa ny tendrony atsimon’ny faritra Boeny, ny ilany avaratry ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana sy ny tendrony atsimon’ny faritra […]

Vaksiny sy fandrindram-piterahana : Efa miharesy lahatra ny olona

Nanao tombana ny ezaka vita amin’ny sehatry ny fahasalamana ny Filoham-pire­nena, omaly, tetsy Ivato. Nison­gadina ny fanaovam-baksiny sy ny fanaovana fanabeazana aizana, izay nanaovana hetsika manokana mihitsy teto amin’ ny firenena. 86% ny zaza vita vaksiny fatra fahatelo miaro amin’ny lefakozatra amin’izao fotoana. Nisaotra manokana ny mpiasan’ny fahasalamana ny tenany […]

Psikolojia sosialy : Sehatra ahafahana maneho fihetsehampo

Manatanteraka hetsika etsy amin’ny efitrano malalaky ny AUF Faravohitra ny mpianatra L3, ao amin’ny sampam-pianarana Psychologie sociale et interculturelle, ao amin’ny Fakiol­ten’ny haisoratra sy ny siansa maha olona, eny anivon’ny onversiten’Antananarivo. Nanomboka ny 25 aogositra izany. Mitohy hatramin’ny faran’ny herinandro izao. Manome sehatra ho an’ny mpitsidika, haneho ny fihetsehampony amin’ny […]