Fiaraha-monina

Fanaovam-baksiny: Notolorana moto miisa 1 432 sy fiara ny CSB 2

Tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fampitaovana ny tobim-pahasalamana sy ny fampakarana ny tahan’ny fanaovana vaksiny. Notoloran’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka fiara sy moto vaovao ny CSB2, omaly. Sehatra iray, anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny fahasalamam-ba­hoaka. Voakasik’izany mivantana ny fanaovam-baksiny, amin’ny alalan’ny Fandahara­nasa nasionaly na ny […]

INDRAY MIJERY

Lanonana roa sosona no notanterahina ao Maintirano, faritra Melaky. Ny lalaon’i Melaky sy ny festival Barea andiany voalohany. Haharitra 10 andro ny hetsika, izay nohararaotina amin’ny fanentanana mom­ba ny fiarovana ny tontolo iainana. Niresaka momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa efa nisy ny teo amin’ny MTEFoP sy ny masoivohon’i Inde. Lafim-piaraha-miasa […]

Iray volan’ny Alzheimer : Hisy ny fihaonana amin’ny fianakavian’ny marary

Volana maneran-tany ho an’ny aretina alzheimer ny septambra, manao antso ho an’ny isam-batan’olona, ny mpiasan’ ny fahasalamana, ny fiarahamonina ary ny fanjakana handray andraikitra ny fi­kamba­na­na Ma­dagascar Alzheimer Ma­so­andro mody. Mbola mipetraka ho sakana tsy ahafahana mi­tily ny aretina mialoha sy mi­ton­dra fitsaboana mahomby ny fa­nili­kilihana sy ny hevitra raiki-tam­pisaka […]

Aorian’ny fahafahana bakalorea: Etsy amin’ny LJJRA ny « Salon de l’étudiant »

Hotanterahina eo amin’ny Lycée JJ Rabearivalo Anala­kely ny « Salon de l’étudiant », karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa miaraka amin’ny CIDST Tsimbazaza, ny 4 hatramin’ny 6 septambra izao. Amin’io fotoana io no hahafantaran’ny mpitsidika ny karazana oniversite misy eto Madagasikara sy ireo karazana lalam-piofanana misy. Hanana tranoheva amin’izany ireo […]

“High School Scholarship »: Vatsim-pianarana omen’Ambatovy an’ireo mpianatry ny Lycée

Manome tohana mitohy eo amin’ny lafiny fampianarana, manomboka amin’ny ambaratonga faharoa hatrany amin’ny Oniversite, izay haharitra 10 taona Ambatovy, noho ny fisian’ny fandaharanasa vaovao. Manomboka amin’ny taona faha-6 amin’ny ambaratonga faharoa ka hatrany amin’ny taona fahatelo eny amin’ny Oniversite izany. Manamafy ny fandraisany andraikitra amin’ny fanohanana ny fanabeazana ao anatin’ny […]