Fiaraha-monina

Fiarovana ny tontolo iainana : hiara-hiasa ny Parc Ivoloina sy ny Alpha Ciment

Notanterahina tany Ivo­loina, ny alarobia 5 jona lasa teo, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny valan-javaboahary, Parc naturel d’Ivoloina, sy ny Alpha Ci­ment. Nanatanteraka izany i Jaozandry Jean Jacques, talen’ny ONG Madagascar Fauna, misahana ny “Parc” sy i Zafindrantoanina Arivelo. Votoatiny ny fanamafisana orina amin’ny hanatsarana ny fisahanana ny tontolo iainana. […]

Fanabeazana: notokanana ny EPP Ambohimarina

Tontosa ny fanamboarana ireo efitrano fianarana rehetra ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra ao Ambohimarina, kaominina Ambohimanga Rova, ny alakamisy 8 jona teo. Mpianatra avy amin’ny fokontany manodidina no hisitraka manokana amin’ny fananana ity fotodrafitrasa vaovao ity. Misehatra amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny sosialy sy ny fanabeazana, nanamboatra efitrano telo amin’ny fanavaozana […]

Tetikasa “Apprendre”: hanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara

Manatanteraka fivoriana iraisam-pirenena eto Antananarivo ireo mpiantsehatra amin’ny fanabeazana sy fikarohana. Mba hanatsarana ny rafi-panabeazana eto amin’ny Nosy ny anton’ny dinika. Tanterahina etsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly sy anio, ny loabary an-dasy iraisam-pirenena momba ny fanabeazana. Man­dray anjara manatanteraka izany ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny fanabeazana eto an-toerana sy any […]

INDRAY MIJERY

Métamorphose, io no anaran’ny tetikasa vaovao izay miompana amin’ny fampiroboroboana ny famoronana maharitra sy manaja tontolo iainana eo amin’ny tontolon’ny lamaody. Tetikasa izay hotantanin’ireo maintimolaly fito mianadahy nandray anjara tamin’ny “International Visitor Leadership Program (IVLP) 2020”. Fanentanana ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo olon-tsotra hanome ra maimaimpoana no hanamarihin’ny Hopitalin’i Fianarantsoa ny […]

Fitsarana Anosy: mpahay kaonty 12 mianadahy nanao fianianana

Notanterahina teny amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy, efitrano fahefatra, ny fotoam-pitsarana nandraisan’ny fitsarana ny fianianan’ireo mpahay kaonty sy ara-bola (experts-comptables et financiers) 12 mianadahy. Andro lehibe ho an’ny Holafitry ny mpahay kaonty sy ara-bola ihany koa ity fotoana ity, nahafahan’ny filohan’ny holafitra nampahalala ny tsara ho fantatra rehetra tamin’ireto 12 […]