Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny Gen Z Madagascar, omaly, tetsy Ampandrana. Maro ny tolo-kevitra nentin’izy ireo manoloana ny fijoroan’ny fitondram-panjakana misy amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny filazana fa vonona hanao fanadihadiana tamin’ny zavatra tsy nety teo aloha izy ireo. Anisan’ny notakina koa ny hamongorana ny kolikoly amin’ny endriny rehetra […]
Fiaraha-monina
Fampianarana : Tapitra ny fitokonana, hiasa amin’izay ny mpampianatra
Hamerina ny hasin’ny mpampianatra ny fanovana entina. Manaporofo izany ny fifanekena voarakitra sy nifaranahana tamin’ny fanjakana. Miverina miasa daholo amin’izay ny mpampianatra. Nanapa-kevitra ny hiverina mampianatra amin’izay ireo mpampianatra nitokona. Hiverina an-dakilasy hampianatra izy ireo amin’ny alatsinainy ary mampahafantatra izany amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Niravina ny olana satria […]
INDRAY MIJERY
Tontosaina mandritra ity herinandro ity ny fanaraha-maso ny Phagdis SDSP Tsiroanomandidy. Hetsika iarahan’ny tomponandraikitry ny programa tsirairay eo anivon’ny distrika sy faritra, notarihin-dRamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava. Tanjona ny hanaraha-maso ny fitantanam-panafody, ahafahana manolotra fahasalamana ho an’ny rehetra. Mitana andraikitra lehibe amin’ny fanorenana firenena matanjaka sy mandroso ny minisiteran’ny Fampianarana […]
Lapan’ny Tanàna : Manameloka ny fidirana an-keriny ny SACUA
Manoloana ny fidinana an-dalambe ataona vondron’ olona sy ny mpanao politika, manameloka ny fidirana an-keriny ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny sendikà mahaleo tena eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nambaran’izy ireo fa sokajina ho fanafihana Lapa ny fidirana an-keriny ao. Anjaran’ny fanjakana ny miaro izany. “Tsy resaka fiarovana na tsia […]
Taom-pahavaratra 2025-2026: Ampifanarahana ny vina sy ny asa atao
Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny atrikasam-pirenena momba ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025-2026. Niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny MGD, ny Pam ary ny BNGRC izany. Mampikorontana ny fiainan’ny zavaboahary ny fiovaovan’ny toetry ny andro kanefa tsy azo ihodivirana noho ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Anisan’izany ny […]





