Fiaraha-monina

Herisetra an-tsekoly : Manampy ny ankizy ny fahatokisan-tena

Hiditra an-tsekoly ny mpianatra afaka iray volana. Misy ireo ankizy tsy te hiverina any intsony noho ny herisetra nahazo azy tany am-pianarana. Tsy voatery ho herisetra ara-batana fa mety ho ara-tsaina vokatry ny fitenitenenana azy, fandrabirabiana, fampitahorana, fanambaniana… Misy mpampianatra manao izany herisetra ankolaka izany, mety tsy am-piheverana na fanahy […]

Ho an’ireo sambany handia sekoly : Mila fiomanana ara-tsaina ireo kilonga

Hisokatra ho an’ny ankizy indray ny toeram-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2025-2026, ny 8 septambra ho avy izao. Ho an’ireo vao sambany hampiditra ny zanany any an-dakilasy, misy ny fanomanana maromaro tokony hirosoana hampizotra tsara ny taom-pianarana hatrehina. Manome toromarika ny matihanina amin’ny fampianarana sady mpanorina ny sekolin’ny ray aman-dreny! […]

Fisokafan’ny teleferika : Nihoatra ny 5 000 ireo mpandeha ny sabotsy teo

Fotoana nisokafan’ny teleferika ho an’ny daholobe ny asabotsy teo. Nihoatra ny 5 000 sahady ireo olona nitaingina izany, tamin’io andro voalohany io. Vao maraim-be, ny sabotsy sy alahady, efa lavabe ny filaharana teny Anosy fa handeha teleferika. Nahitana sokajin-taona rehetra ireo liana tamin’ity zava-baovao ity. Na ankizy, na tanora, na […]

INDRAY MIJERY

Mivoaka tsikelikely ny voka-panadinana bakalorea any amin’ny faritra. Efa nivaly izany ho an’ny ao Fianarantsoa. Toraka izany koa ny any Antsiranana. Tsy nisy mpiadina afaka mihitsy na dia iray aza ho an’ny sokajy C tao Antsiranana. Miandry fatratra ny voka-panadinana kosa ny eto Antananarivo. Olona 446 no tonga nanao fizaham-pahasalamana […]

Cafpa Andranovaky Mahitsy: Manofana tanora matihanina amin’ny fambolena sy fiompiana

Isarihana ny sain’ny tanora ny ifotorany amin’ny fambolena sy fiompiana hampahaleo tena ara-tsakafo an’i Madagasikara. Antom-pisian’ny Cafpa Andranovaky Mahitsy izany hamolavolana tanora ho matihanina amin’ny sehatra ambanivohitra. Hotanterahina amin’ity herinandro ity ny fanadinana fifaninanana hi­di­rana ao amin’ny foibem-piofanana arakasa momba ny fambolena (Cafpa) etsy Andranovaky Mahitsy. Tanora avy eto amin’ny […]