Fiaraha-monina

Fifamoivoizana : miverina miasa ireo polisin’ny fitaterana

Tanjon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny hampihena ho 50% ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona amin’ny taona 2030. Mametraka paikady izy ireo hanatrarana izany. Haverina amin’ny asany, araka izany, ireo polisin’ny fitaterana an-dalambe izay eo ambany fiahian’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (Agence des transports terrestres – ATT). 28 […]

USAID sy OMS: hasongadina ny fahasalaman’ ny saina eto Madagasikara

Niara-niasa tamin’ny fanatanterahana ny atrikasa momba ny fahasalaman’ny saina ny USAID sy ny OMS. Dingana voalohany amin’ireo hetsika maromaro nomanina ho an’ny roa taona ho avy no natao. Nampivondrona mpandray anjara maherin’ny 160, ahitana mpisehatra, mpikaroka, mpanome tolotra ara-pahasalamana ary mpamatsy vola ny atrikasa natao teto Madagasikara mo­mba ny fahasalaman’ny […]

Tetikasa Miarova: 141 tapitrisa dolara hanamafisana ny fanaovam-baksiny

“Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka amin’ny Banky iraisam-pire­nena ny tetikasa Miarova na Miaro Antsika Rehetra amin’ny Covid-19 ny Vaksiny”, hoy ny talen’ny fandaharanasa momba ny vaksiny, i Tsivahiny Paubert, tany Morondava. Tanjona ny hisitrahan’ny rehetra vaksiny sy ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara. Mi­tentina 141 tapitrisa dolara ny famatsiana ny […]

Baies roses: manomboka ny taom-piotazana

Notanterahina tao amin’ny kaominina Mandiso, distrikan’i Taolagnaro, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana sy fivarotana ny vokatra baies roses, ho an’ity taona 2024 ity. Voalo­hany indrindra amin’ireo kaominina manana vokatra tsara sy betsaka ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro i Mandiso ary mitana ny laharana faharoa maneran-tany. Ny faritra Anôsy miaraka […]