Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka izao ny fitaterana amin’ny tariby. 3 000 Ar ny saran-dalana. Anisan’ny lava indrindra aty Afrika ity zotra volomboasary vao notokanana, omaly, ity. Notokanan’ny Filoham-pirenena, omaly, ny zotra volomboasary na teleferika mampitohy an’ Anosy amin’Ambatobe. Voalaza fa noho ny fitomboan’ny mponina dia tsy maintsy hatsaraina ny […]
Fiaraha-monina
Raharaha Ambohimalaza : Mbola any am-ponja i Fenohasina
Nanao fanambarana, omaly, ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, indrindra ny fitantanana ny fonja, fa mbola tazomina eny amin’ny fonjaben’i Manjakandriana i Fenohasina. “Olona dimy mirahavavy mianaka no voasambotra sy nalefa eny am-ponja any amin’ny toerana samihafa mba hanamora ny fanadihadiana”, hoy i Volazara Sakina Mohamady, Tale jeneralin’ny Fitantanana ny […]
INDRAY MIJERY
Manan-jara ireo ankizy avy any amin’ny faritra na avy amin’ny manodidina tonga manao vakansy eto Antananarivo amin’izao fotoana. Betsaka ny zava-baovao afaka tsidihina. Anisan’izany ny fisokafan’ireo lalam-baovao maro manodidina an’Antananarivo. Eo koa ny fandehanana amin’ny zotra teleferika, ny fitsidihana ny varotra fampirantiana goavambe eny Ivato, ny fotodrafitrasa Lac Iarivo, sns. […]
Andranovaky Mahitsy: Vita ny lavadrano faha-100 nataon’ny Rotary
Nivaha ny olan’ny famatsian-drano ho an’ny ivontoeram-piofanana ho mpamboly sy mpiompy matihanina (Cafpa) ao Andranovaky Mahitsy. Nahazo lavadrano tsara voatra manaraka ny fenitra amin’ny famatsiana rano fisotro madio ity toeram-piofanana ity, izay natolotra azy ireo omaly. Fiaraha-miasa tamin’ny Rotary District 9220 no nahazoana ny fotodrafitrasa. Toerana tena mila rano, indrindra […]
Oniversite Barikadimy sy Chine : Mpianatra 6 nisitraka vatsim-pianarana
Mpianatra enina mianadahy avy ao amin’ny University of Geosciences (Wuhan) sy ny Institut Confucius Toamasina, izay ao Barikadimy ihany ny foibeny, no nahazo vatsim-pianarana handranto fianarana any Chine. Ny volana septambra ho avy io no efa hanomboka ny fidirana an-tsekoly any an-toerana. Noraisin’ny filohan’ny oniversiten’i Barikadimy, ny profesora, Diny Razanakolona, […]




