Hotanterahina ny 31 mey sy ny 1 jona izao, etsy amin’ny Alliance francaise d’Antananarivo Andavamamba ny hetsika “Festival des initiatives vertes”, tohanan’ny Telma Madagascar. Tanjona ny hampiroborobo ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanomezan-danja ny fampiasana ireo angovo azo havaozina, fanodinana ireo fako sy plastika isan-karazany… “Efa an-taonany maro ny […]
Fiaraha-monina
Amphithéâtre Fofifa : havaozina handraisana ny fihaonambe iraisam-pirenena siantifika
Manamarika ny jobily faha-50 taonany ny Fofifa. Ezaka fanavaozana ny efitrano malalaka fandraisana karazana hetsika no hanamarihina izany. Hasiam-panavaozana goavana ny Amphithéâtre ao amin’ny foibem-pirenena momba ny fikarohana hampiharina amin’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra (Fofifa). Izay no tsangambaton’ny fankalazana ny faha-50 taona niorenany. Efa tamin’ny taona 1994 no natsangana ny […]
Fanabeazana ara-pananahana feno: «Tokony hifanaraka amin’ ny kolontsaina sy sosialy»
Tokony hatao mifanaraka amin’ny zava-misy ao anatin’ ny firenena iray amin’ny lafiny kolontsaina sy sosialy ny votoatin’ny fanabeazana ara-pananahana feno (éducation sexuelle complète). Io ny toromariky ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), izay miara-miasa amin’ny firenena maro aty Afrika amin’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fanabeazana aizana, hoy ny […]
Fahadiovana sy fidiovana: misoroka ny fahazoana aretina ny fanasana tanana
Nomarihina omaly tetsy amin’ny HJRA ny andro iraisam-pirenena amin’ny fanasana tanana amin’ny savony. Fotoana hampahatsiavina ny rehetra ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana izay fihetsika tsotra kanefa mahavonjy aina ary miaro amin’ny aretina maro. Nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa azo sorohina amin’ny fanasana tanana avokoa ny 50%-n’ny aretina. Anisan’izany ny aretim-pivalanana […]
Taona 2024-2025: nivoaka ny tetiandrom-pampianarana
Efa navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ity herinandro ity ny tetiandro ho an’ny taom-pianarana sy ny fanadinam-panjakana CEPE sy ny BEPC ho an’ny taom-pianarana vaovao 2024-2025. Hisantatra ny taom-pianarana ny 9 septambra ho avy izao ny mpianatra ho an’ny ambaratonga telo manerana ny Nosy. Mizara roa volana dimy toy ny teo aloha […]