Satria manana tanjona hitondra fanovana ny hetsi-bahoaka natao, nanatontosa diabe « Fanovana ho an’ny kodiarandroa » ireo mpitondra kodiarandroa eto Antananarivo mivondrona ao amin’ny Riders Scoot community, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Makis Andohatapenaka. Nanao fitakiana mahakasika ny fiantohana sy ny Centre d’Immatriculation de Madagascar ary ny minisiteran’ny Fitaterana izay miahy […]
Fiaraha-monina
Clinique Ave Maria: 90 taona nitsaboana ny vahoaka
Hopitaly iray anisan’ny goavana sahanin’ny finoana katolika ny clinique Ave Maria Antsirabe. 90 taona nikarakarana ny lafiny fahasalamana ho an’ny vahoaka maro ity tobim-pahasalamana ity, ankehitriny. Nisy ny fankalazana izany taon-jobily izany. Maro ny tolotra ara-pahasalamana omen’ny hopitaly Ave Maria ary efa manana hatramin’ny fanaovana fitarafana avo lenta “scanner” izy, […]
Rivodoza Chenge: Tsy manambana mivantana an’i Madagasikara
Tsy ho marin-toerana ny habaka any amin’ny afovoan-tany sy ny ilany afovoany andrefan’ny Nosy, araka ny tomban’ny toetry ny andro eto amintsika hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy manambana mivantana an’i Madagasikara ihany koa i Chenge raha ny vinavina lavitra. Nitombo hery ka lasa rivodoza ilay faritra […]
INDRAY MIJERY
Naharitra roa andro ny atrikasa fampahafantarana momba ny Incubation professionnelle ao amin’ny faritra Atsinanana, izay natao tamin’ity herinandro ity. Notanterahina tao amin’ny Lycée Privé Camp Toamasina izany. Ireo solontena avy amin’ny Direction de l’incubation professionnelle, avy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa foibe no nikarakara izany. Nandray anjara […]
Apipa: Diovina ny eny Masay hatreny Andravoahangy
Ho fiatrehana ny fahavaratra, miasa andro aman’alina ny Apipa ho fiarovana ny lemak’ Antananarivo mba tsy ho safotry ny rano. Eo am-panaovana ny asa lehibe manodidina ny farihin’i Masay, Ankorondrano, Manjakaray, Besarety ary Andravoahangy ny ekipan’ny Apipa amin’izao fotoana. Fanadiovana sy fanesorana ny fako no atao amin’izany mba tsy hanentsina […]





