Nampahafantatra ny Agence nationale d’appui au logement et à l’habitation (Analog) fa mitohy araka ny tokony ho izy sy anaty mangarahara ny fanatanterahana ny fivarotana an’ireo trano fonenana natsangan’ny fanjakana. Voakasik’izany ireo Cités 320 logements ao Imerintsiatosika, Cité Vatofotsy, ahitana trano 80, ao Antsirabe, ny Cité Ulang Ylang, misy […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo andrefan’ny Nosy. Tombanana hahatratra 55 km isan’ora izany. Noho ny fisian’ilay rivodoza Chenge ihany koa, tombanana ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Mety hahatratra 55 km isan’ora hatramin’ny 80 km isan’ora izany. Nanomboka omaly ka hitohy […]
Taranja Stem : Nampiharina amin’ny Lycée 14 sy CEG 42
Niainga avy amin’ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy hanome fanabeazana manana kalitao sy ho an’ny rehetra ary hanatrarana ny tanjona hatramin’ny taona 2063 ho an’i Afrika ny nametrahana ny Stem. Hampiroboroboana ny fanabeazana sy hitazonana ny mpianatra zatovovavy any an-tsekoly sy hifantoka amin’ny taranja siantifika. Napetraka teny anivon’ny Lycée 14, nanomboka ny […]
Rivodoza Chenge : Hitondra rotsakorana any avaratra
Vinavinaina ho voatazona ny tanjaka tempête tropicale moderée, mandritra ny telo andro manaraka, ho an’i Chenge. Hihena miandalana ny heriny rehefa manakaiky ny tapany avaratry ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro. Tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisiany ato anatin’ny roa andro ho avy. Satria, tsy manambana […]
Fahasalamam-bahoaka: Marary ny tontolon’ny fitsaboana fo
Namoaka ny maharary azy ny mpitsabo fo tamin’ny alalan’ny ranty nataon’ny dokotera Rakotonoel Rolland. Marary io tontolo io eto Madagasikara ary mila fanasitranana haingana. 20 mianadahy ihany ny Malagasy dokotera nianatra manokana sy manam-pahaizana momba izany manerana ny Nosy. Vitsy ihany koa ireo tanora ao anatin’izany satria efa maherin’ny 60 […]





