Fiaraha-monina

Teleferika : vita ny andrana amin’ny zotra Anosy-Petite Vitesse

Nosantarina tamin’ny zotra volomboasary niala teo Anosy nankeny amin’ny Petite Vitesse ny andrana teleferika, omaly. Efa tsindrindaona handeha amin’izany ny maro. Natao omaly ny andrana voalohany amin’ny fitaterana an-tariby na teleferika niala teo Anosy na,keo amin’ny Petite Vitesse (zotra volomboasary), notanterahin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny trano fonenana. […]

INDRAY MIJERY

Hitohy ny volon’andro ririnina ho an’ny roa andro manaraka fa hiakatra ny maripana farany ambany ny faran’ny herinandro ho an’ny afovoantany, araka ny fanambaran’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Mafana ny andro ary mibaliaka ny masoandro ho an’ny tapany andrefana ary hahazo orana ny any avaratra sy atsinanana. Eto […]

Andron’ny psikolojia: hizarana ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka

Andron’ny psikolojia, fotoana hanentanan’ny mpianatra ao amin’ny departemanta psikolojia ny maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny saina ary hitondrany lohahevitra efatra ho an’ny rehetra. Manomana fifampizarana manodidina ny lohahevitra «Faha­ranitan-tsaina afaka mivelatra amin’ny sehatra maro» ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny departemant de psy­chologie, eo anivon’ny Uni­versite Catholoque de Mada­gascar (UCM), mitondra ny […]

“Mada dog show”: Chien de race 200 nandray anjara tamin’ny fifaninanana hatsarana

Tontosa tetsy amin’ny zone Zital Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika “Mada Dog show”. Hetsika nokarakarain’ny Association des cynophiles de Madagascar (ACYM). Nana­tanterahana fifaninana hatsarana “concours de beauté” teo amin’ireo alika tsara karazana (chien de race) monina eto Madagasikara. Nanodidina ny 200 ireo alika tsara karazana nandray anjara tamin’ny […]