Fiaraha-monina

Vakinankaratra sy Menabe: Misitraka ny tetikasa “Wish 2” ny tanora

Misitraka ny tetikasa “Wish 2” ny faritra Vakinankaratra sy Menabe, iarahana amin’ny Fisa Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana ho an’ny tanora. Nanaovana fakan-kevitra ireo tanora hahenoana ny hetahetany mahakasika ny fanatsarana ny resaka fananahana ara-pahasalamana. Tamin’izany no nahafantarana ny vina sy ny faniriany momba ny […]

Centre Médical Kintana Ambatomena: Vehivavy 945 voaentana momba ny homamiadana

Efa amin’ny antsasa-dalana ny hetsika “Octobre rose” sahanin’ny Fondation Akbaraly, amin’ny fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, ho an’ny vehivavy. Mahatratra 945 ireo vehivavy voaentana momba ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza sy ny fitiliana teny amin’ny Centre Médical Kin-tana Ambatomena, araka ny fanazavana azo. Manantena […]

Amboditsiry: Nametra-pialana ny sefo fokontany

Tonga teo anoloan’ny bi­raon’ny fokontany Am­boditsiry ny andian’olona vitsivitsy, ny marain’ny talata 14 oktobra 2025 teo. No­takin’izy ireo ny hialan’ny sefo fokontany. Ny tolakandron’iny ihany, fantatra fa nametra-pialana ramatoa Sefo fokon­tany. Tsy mazava hatreto ny tena antony nialany. Fa misy kosa ny loharanom-baovao milaza fa nisy tokantrano vitsivitsy nahitana entana […]

Minisiteran’ny Mponina: Mijoro mitaky fanovana ny sendika

Niray feo ny mpiasan’ny minisiteran’ny Mponina mivondrona ao anatin’ny sendika, omaly, fa mitaky fanovan-drafitra ihany koa ho fanarenana ny tontolon’ny asa ao amin’ny minisitera. Mijoro miady amin’ny fanavakavahana sy ny fampizarazarana ny mpiasa ny sendika. Mikendry ny fametrahana ny Corp ho an’ny mpiasa ihany koa. Mikatsaka ny tombontsoan’ny mponina, indrindra […]

INDRAY MIJERY

Misy rivodoza mananontanona ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Andalam-piforonana izany ary manome vahana ny fitombony ny hafanan’ny ranoma­sina. Tsy mbola misy fiantraikany amin’i Madagasikara ny faritra andro ratsy. Hitondra ny anarana Anais ity rivodoza ity rehefa mahafeno ny fepetra rehetra. Manohana ara-tsaina ireo mpamonjy voina ny Croix Rouge Malagasy. Fifanakalozan-kevitra an-kala­lahana […]