Napetraka teto Madagasikara ny volana novambra ny AWLM-Madagasikara, izay tohanan’ny tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Nisy ny fihaonana tafiditra anatin’ny tetikasa « Mahasaky », ho fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny tanora sy ny vehivavy, ho fanamafisana ny demokrasia sy ny fandriampahalemana. Manohana ny tetikasa ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny […]
Fiaraha-monina
Mpianatra 26 naratra : Tsaboina ao amin’ ny CHU Tambohobe
Efa voaray ao amin’ny Hopitalibe CHU Tambohobe, Fianarantsoa, avokoa ireo mpianatra 26 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho ny alahady lasa teo. Niala avy any Andranomafana, distrika Ifanadiana, ho any Betafo ity fiara nitondra mpianatra ity. Alohan’ny hidirana an’i Vohiparara no niseho ny loza, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, ny […]
Hiarovana amin’ny polio: hanomboka anio ny fanaovam-baksiny faobe
Haharitra hefarana ny fanaovam-baksiny faobe, maimaimpoana, hiarovana amin’ny aretina lefakozatra manerana ny Nosy. Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona ny fatra ho an’ity andiany voalohany ity. Hanomboka anio ary hifarana ny zoma 17 mey, ny fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina lefakozatra, ho an’ny zaza sy ny ankizy latsaky […]
Fanadinana bakalorea : manomboka ny adina ara-panatanjahantena
Nanomboka ny sabotsy teo ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny bakalorea eto Antananarivo. Natomboka tamin’ny taranja lomano izany tetsy Ampefiloha. Hitohy ny adina hatramin’ny 21 jona izao. 215 ireo mpiadina nisafidy ny taranja lomano. Mahatratra 80 000 kosa ireo mpiadina rehetra hiatrika ny adina ara-panatanjahantena amin’ny sokajy rehetra manerana an’Analamanga. Nilamina […]
INDRAY MIJERY
Manana tombony ny tanora eny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afaka mianatra teny espagnol maimaimpoana. Nisokatra ny faran’ny herinandro teo ny fanatanterahana izany, izay haharitra 5 volana. Heverina hahay ny fototra amin’ny fiteny espagnol ireo mahatozo hatramin’ny farany ny fiofanana. Nanatanteraka rodorodo ny infirmier rehetra manerana ny Nosy ho fanamarihana ny Andro […]