Hiverina an-tsekoly ny ankamaroan’ny mpianatra ho an’ny anio raha ny toromariky ny mpitantana ny toeram-pampianarana eto an-dRenivohitra. Tsy misy ny antoka anefa fa hilamina ny toe-draharaha, ny mpitarika ny hetsika fitakiana mandrangaranga fa tsy miato izany hatreto. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny momba ny fiahiana ny zanany handeha any an-dakilasy. Alefa […]
Fiaraha-monina
Toetry ny andro : Ho mafy ny rivotra sy ny onjan-dranomasina
Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo sy ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy. Tom-banana hahatratra 55 km isan’ora izany. Nanomboka omaly, teo anelanelan’i Itampolo sy Taolagnaro ary hitohy anio eo anelanelan’i Vohemar sy ny tanjona Bobaomby. Mety hisy ny fahasarotan’ny fifamoivoizana sy faharendrehana an-dranomasina ary ny fikorontanan’ny asa […]
Unicef madagasikara : “Ny zo fototra ho an’ny ankizy no arovana”
Nanao fanambarana ny Unicef tany Nairobi, omaly, momba ny fiarovana ny ankizy ao anatin’ny fiatrehana ny korontana sy ny hetsika fitakiana eto Madagasikara. Voalaza fa manahy izy ireo amin’ny zavatra iainan’ny zaza sy ny ankizy manoloana ny zava-misy eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tokony ho laharam-pah-amehana ny fiarovana ny ankizy […]
Moramanga : Nisitraka fitsaboana ireo zokiolona
Toy ny fanao isan-telovolana, nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana tao amin’ny Akany Fiadanantsoa Moramanga ho an’ireo mpiady tia tanindrazana ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny herinandro teo. Ireo zokiolona 65 taona no ho mihoatra ao amin’ity distrika ity no nisitraka izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny Mponina sy […]
INDRAY MIJERY
Manentana ny fianakaviamben’ny fanabeazana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny amin’ny fiatrehana sahady ny fahavaratra. Tokony hambolena ao amin’ny mpianatra ny toetra amam-pihetsika ho fisorohana ny loza. Anisan’izany ny fahadiovana, ny fandrantsanana ny hazo mety hitera-doza. Entanina ny ray aman-dreny sy ny Feffi hihevitra sahady ny fividianana ny kojakoja hahafana manamafy ny […]





