Tanterahina eny Andakana, hatramin’ny anio, ny atrikasam-pirenena momba ny Tanjona fahefatra mahakasika ny fanairana mialoha ho an’ny rehetra (EW4ALL), hisorohana ny fahavoazana rehefa misy loza. Iarahan’ny BNGRC, ny Croix-Rouge Malagasy, ny Fédération internationale des sociétés de la Croix-Rouge et du Croissant-Rouge na FICR ary ireo mpiara-miombon’antoka manatanteraka izany. Mikendry ny […]
Fiaraha-monina
Mpianatra tsy afa-panadinana : Mila tohana ara-tsaina avy amin’ny ray aman-dreny
Hiatrika ny taom-pianarana vaovao ny kilonga ny 8 septambra izao, ho an’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Ho an’ireo tsy nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana na tsy nisondrotra kilasy, ilaina ny tohana ara-tsaina avy amin’ny ray aman-dreny. Nivaly avokoa ny fanadinam-panjakana telo notontosaina ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ary hiatrika ny taom-pianarana vaovao indray […]
Lemak’Antananarivo : Harindra ny fampidiran-drano
Ho fitsinjarana ny rano manondraka ny lemak’Antananarivo amin’ny voly vary, naroso ny famohana ny vavarano tamin’ity taom-pambolena ity, izay dinika efa niarahana tamin’ireo tantsaha. Manara-maso ny fitantanana ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo sy ny manodidina ny Apipa. Tsy amin’ny tondradrano ihany izany fa amin’ny fitantanana ny rano eny amin’ireo tohodrano […]
Fikambanana Silamo Malagasy : Hanamarika ny faha-51 taona niorenany
Noho ny fitahian’i Allah Soub’hana Wa Ta’Anla, feno 51 taona ny Fikambanana Silamo Malagasy. Hanamarika izany vanim-potoana manan-tantara izany izy ireo ny 2-3 septambra 2025, ao amin’ny Centre de formation eny Maibahoaka Ivato. Noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 namela takaitra maro teo amin’ny fiainan’ny Malagasy dia izao vao atao izany […]
ENS Toamasina : Nosoniavin’ny filohan’ny oniversite ny mari-pahaizana Master
Mpianatra teo anivon’ny Ecole normale supérieure (ENS) Toamasina miisa 138 nahavita fanohanan-kevitra hahazoana ny mari-pahaizana Master. Mention anglais, française, Histo-géo (mpianatra 30); Mention malagasy, mathématiques, Informatique, philosophie miisa 15; Mention physiques chimie, sciences de l’éducation mahatratra 60 ary Mention sciences économiques et sociales no mandrafitra ny ENS Toamasina amin’izao fotoana […]




