Ny minisitry ny Rano, fidiovana sy fahadiovana, Ravokatra Fidiniavo, no misolo toerana vonjimaika ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Razafiharison Andriamanantena, rehefa nisafidy hanohy ny lalana politika ity farany. Natao omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta. Nilaza ny minisitra mpisolo toerana fa manana ny lanjany sy […]
Fiaraha-monina
Adina ara-panatanjahantena-BEPC : mitaraina ny mpitantana sekoly fa itakiana vola ny mpiadina
Tsy manana kianja hanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena ny minisitera roa voakasika mandritra ny fanadinam-panjakana nefa tsy nanokana sora-bola mahakasika izany. Ny mpiadina no manome fandraisana anjara. Tafiditra amin’ny fanabeazana ny taranja fanatanjahantena eny anivon’ny sekoly ka tsy tokony hakana vola avy amin’ny mpiadina ny fanatanterahana izany ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC […]
INDRAY MIJERY
Eto Madagasikara, ny 34% amin’ny zaza latsaky ny herintaona no tsy mbola nahazo ny fatram-baksiny voalohany tokony ho natao azy, araka ny antontanisa avy amin’ny OMS sy ny Unicef. Homarihina ny 26 avrily ho avy izao ny faha-50 taonan’ny fandaharanasa fanaovam-baksiny. Nanomboka omaly ary hitohy ao anatin’ny roa andro manaraka, […]
Nitsidika an’Ambovombe : tonga eto ny talem-paritry ny Unicef
itsidika an’i Madagasikara nanomboka ny 20 ka hatramin’ny 26 avrily ho avy izao ny talem-paritry ny Unicef ho an’ny firenena aty atsimo sy atsinanan’i Afrika, Etleva Kadilli. Hijery ifotony ny fandaharanasan’ny Unicef eto amintsika sy hitafa amin’ny vahoaka momba ny fiantraikan’ireo asa samihafa ireo izy. Nahita mivantana ny vokatry ny […]
Fanapoizinana ara-tsakafo : roa maty, enina niditra hopitaly
Mampalahelo! Noho ny fahasahiranana ara-tsakafo, lasa mihinankinam-poana ny ankamaroan’ny tokantrano. Nisy mpanjono nahita zerikanina nitsingevana tao amin’ny ranomasin’i Mahavelona Foulpointe, ny alarobia lasa teo, ary nitondra izany tety an-tanety. Rehefa nosokafana ilay izy, zavatra toy ny sira no tao anatiny ka nifampizarany tamin’ny namany niara-nahita ilay zerikanina voalohany. Nisy ireo nanao […]