Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Hisy fikorontanana ny habaka ato anatin’ny telo andro manaraka raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hisy orana tandrifindrahona amin’ny ilany andrefana sy atsimon’ny Nosy. Hisy fiakarana ny maripana ambony rahampitso, saika manerana ny Nosy. Efa misy ireo voasambotra tamin’ireo mpisoloky ho avy amin’ny Fid. Mpisoloky ireo manao fitakiana […]

Psychologie sociale et interculturelle L3 : Hirosoana amin’ny fahaiza-miatrika ny “Fun Day”

Nisafidy ny tetikasa “Fun Day”, maneho ny lohahevitra “Ny fahaketrahana mizotra mankany amin’ny fahafahana mifehy ny olana ary miatrika aorian’ny sedra na donam-piainana”, ny mpianatra L3 ao amin’ny sampam-pampianarana Psychologie sociale et interculturelle anivon’ny Oni­versiten’Antananarivo. Andro ahafahana miala voly, maka traikefa ary mahita zava-baovao izany. Natokana ho an’ny mpianatra eny […]

Foibe Manjarisoa 67Ha: Nizarana fitaovam-pianarana ny ankizy

Ho fitsinjovana ireo ankizy beazina ao amin’ny Foibe Manjarisoa 67 Ha, nitondra kojakoja fitaovam-pianarana ho azy ireo ny Fondation Axian, omaly. “Hanamorana ny fidiran’izy ireo an-tsekoly no tanjona”, hoy ny tomponandraikitry ny Fondation, Razakamanantsoa Jessica. Mpianatra an’arivony eto Antananarivo no hanatanterahana ny hetsika ary tena jerena ireo sahirana sy mila […]

Caravane médicale : Hisitraka fitsaboana ny ao Vakinankaratra sy Menabe

Ny vatana salama sy matanjaka no fototry ny saina milamina. Izany indrindra no anaovan’ny fanjakana ezaka amin’ny fitsaboana mitety vohitra amin’ny alalan’ny Caravane médicale “Sarobidy ny aiko”. Niainga omaly, tetsy Ia­voloha, ny Caravane médicale « Sarobidy ny aiko » andiany faha-33, hitondra fitsaboana mitety tanàna, izay notronin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina […]

Jean Nirina R. : Mampirisika ny reny sy ny zaza hanao vaksiny

Nitondra fanentanana ho an’ireo renim-pianakaviana mba hanao vaksiny ny zanany ny filohan’ny Hafari Malagasy, sady tale jeneralin’ny orinasa Fitrama, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, ny faran’ny herinandro teo. Marefo ny reny sy ny zaza, indrindra amin’izao fiovaovan’ny toetr’andro izao, maro ireo karazan’aretina miseho sy/na tonga tampoka, […]