Tsy hisy fiforonana andro ratsy hahakasika an’i Madagasikara mandritra ity herinandro ity, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hamaritra ny toetry ny andro ny tsiokan’ny varatraza malefaka. Tsy ho marin-toerana indraindray amin’ny morontsiraka atsimo atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy, ny fiandohan’ny herinandro. Hihamalefaka miandalana izany manomboka ny […]
Fiaraha-monina
Raharaham-panjakana : mifanolo-tanana ny ADHEA sy ny MDAT
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, teny Anosy, omaly, ny biraon’ny fikambanan’ireo manam-pahaizana momba ny fitantanan-draharaha, ADHEA. Maneho fahavononana hitondra ny anjara birikiny amin’ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana sy nampahafantatra ny fijoroan’ny ADHEA ny filohany, Ramanantsoa Andriamahafaly Rado, omaly, tetsy Anosy. Tanjona ny hitondra fahaiza-manao amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Nanome toky ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa miasa andro aman’alina ny ekipa mpikirakira ny vatsim-pianarana, hanenjehina ny famoahana izany amin’ny tetiandro efa napetraka. Ezahina ho voahaja ny 24 aprily, hizarana izany. Heverina hitondra fahombiazana amin’ny tetikasa andrana atao amin’ny kilasy T2 […]
Lions Club: hijery ifotony ny asa atao ny filoha Brian Sheehan
Tonga eto Madagasikara ny filohan’ny fikambanana Lions Club International Foundation (LCIF), Brian Sheehan, sy Rtoa Lori, vadiny. Asa sosialy tena hataon’ny Lions Club Madagasikara, distrika 417, ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana, ny tontolo iainana ary ny hanoanana. Toy ny fitiliana ny areti-maso katarakta sy ny fizarana solomaso, ny diabeta, ny […]
Fiovaovan’ny toetr’andro: ankizy 45 tapitrisa mizaka ny vokany
Iharan’ny vokatry ny hafanana sy ny haintany ny firenena maro aty Afrika, atsimo sy atsimo atsinanana, izay vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Ankizy 45 tapitrisa no mizaka ny vokatr’izany, toy ny valanaretina kolera, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tondradrano …, araka ny fanambaran’ny Unicef momba ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka nanaovany […]