Fiaraha-monina

Lemak’Antananarivo : Harindra ny fampidiran-drano

Ho fitsinjarana ny rano manondraka ny lemak’An­tana­narivo amin’ny voly vary, naroso ny famohana ny vavarano tamin’ity taom-pambolena ity, izay dinika efa niarahana tamin’ireo tantsaha. Ma­nara-maso ny fitantanana ny rano eto amin’ny lemak’Anta­nanarivo sy ny manodidina ny Apipa. Tsy amin’ny tondradrano ihany izany fa amin’ny fi­tantanana ny rano eny amin’ireo tohodrano […]

Fikambanana Silamo Malagasy : Hanamarika ny faha-51 taona niorenany

Noho ny fitahian’i Allah Soub’hana Wa Ta’Anla, feno 51 taona ny Fikambanana Silamo Malagasy. Hanamarika izany vanim-potoana manan-tantara izany izy ireo ny 2-3 septambra 2025, ao amin’ny Centre de formation eny Maibahoaka Ivato. Noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 namela takaitra maro teo amin’ny fiainan’ny Malagasy dia izao vao atao izany […]

ENS Toamasina : Nosoniavin’ny filohan’ny oniversite ny mari-pahaizana Master

Mpianatra teo anivon’ny Ecole normale supérieure (ENS) Toamasina miisa 138 nahavita fanohanan-kevitra hahazoana ny mari-pahaizana Master. Mention anglais, française, Histo-géo (mpianatra 30); Mention malagasy, mathématiques, In­forma­tique, philosophie miisa 15; Mention physiques chimie, sciences de l’éducation ma­hatratra 60 ary Mention sciences économiques et sociales no mandrafitra ny ENS Toa­masina amin’izao fotoana […]

INDRAY MIJERY

Mahavoasazy ny fanotofana tany tsy nahazoana alalana. Izany no mahatonga ny kamiao maro voageja any amin’ny valam-pamonjana. Misy ny toerana izay tsy azo totofana mihitsy na lova izany na fananana manokana. Misy indray ny toerana afaka totofana saingy misy fepetra arahina mahakasika izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Volavolaina mandritra ny […]

LTP Alarobia : Nampiseho ny zava-bitany ny mpianatra

Tontosa tao amin’ny LTP Alarobia ny varavarana misokatra andiany faharoa natokana ho an’ny fiofanana momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Vokatry ny fiofanana nifandimby, afaka nampiseho mivantana ny zava-bitany ireo mpianatra. Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Raso­loarisoa Marie Marce­lline, izay […]