Manomana ny fidirana, ny 8 septambra, ny sekoly miahy tena. Miasa, araka izany, ireo mpandraharaha mandray ny fisoratana anarana, raha manomana ny fitsinjarana ny fandaharam-potoana ho an’ny kilasy tsirairay avy kosa ny mpanabe, amin’ity herinandro ity. Fiverenana fandraisana ny asa omaly ho an’ny mpanabe sy ny mpandraharahan’ny sehatry ny fanabeazana […]
Fiaraha-monina
Antananarivo : 38 618 ireo nahazo ny diplaoma bakalorea
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny foibem-panadinana ny valin’ny fanadinana bakalorea ho an’ny faritanin’Antananarivo. Afaka nojerena tamin’ny alalan’ny finday koa izany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasam-pifandraisana telo. 47,49% ny taham-pahafahana ka 38 618 ireo nahazo ny diplaoma bakalorea hirosoana amin’ny fampianarana ambony. Manerana ny Nosy, 112 794 ireo mpiadina afaka […]
Faritra Ihorombe : Nisitraka tohana ireo sokajin’olona marefo
Notsimbinina manokana ireo zokiolona miisa 700 tamina distrika maromaro, ao amin’ny faritra Ihorombe. Nisitraka tohana sosialy miendrika fehezan-karona avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Zokiolona 300 ao Ihosy, 200 ao Iakora ary 200 ao Ivohibe. Tetsy andaniny, nahazo tohana ara-pitaovana ireo olona manana fahasembanana ka notolorana seza misy kodiarana ireo tena […]
Toeram-panofanana Vaha : Nahavita fiofanana ho mpampianatra mpanabe ny andiany Santatra
Notolorana ny taratasy fanamarinana manamarina ny nahatontosany ny fiofanana ho mpampianatra mpanabe ny tanora 8 mianadahy, taorian’ny fianarana nandritra ny telo volana teny anivon’ny toeram-panofanana Vaha eny Itaosy, ny faran’ny herinandro teo. Mpampianatra afaka hisehatra amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa fototra izy ireo. Satria manana ny mari-pahaizana bakalorea fara fahakeliny […]
INDRAY MIJERY
Anisan’ny tetikasa novolavolain’ny mpianatra L3 ao amin’ny mention éléctronique eny anivon’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona ny fianarana mamily fiarakodia ivelan’ny fiara. Ahitana ireo fitaovana rehetra ilaina izay hifehezana ny familiana ny prototype vitan’ny mpianatra dimy mianadahy ary naranty tao anatin’ny hetsika «Hairanty éléctronique» teny Soarano. Ankizy 90 zanak’ireo reny mananotena […]





