Vehivavy no tena maro anisa mivelona (mamoly, mahandro, manenona) amin’ny tenona, raha 2% monja ny lehilahy. Aman’arivony ny mpikambana tao anatin’ny Vovonana, ahitana ny minisitera vitsivitsy, ny faritra ary ireo mpikirakira landy mivondrona. Nihena ny mpikambana taty aoriana vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. Vokatr’ izay, nihalafo ny vidin’ny kilaon’ny kofehy. […]
Fiaraha-monina
Tandindonin-doza ny alatapia ao Arivonimamo II : Seha-pihariana mamelona olona aman’arivony ny fanenomana landy
Misy ny asa omen’ny harena voajanahary azontsika sitrahina ahazoana tombontsoa. Vondron’olona misitraka izany ny olona manenona landy ao amin’ny distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Araka ny tantara, avy any Arivonimamo ny lambalandy nitafian’ny mpanjaka rehefa hikabary manoloana ny vahoaka izy. “Miankina amin’ny tontolo iainana ao amin’ny alatapia, toy ny landy, olatra, […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy hatrany ny fianarana teatra, ao amin’ny AFT Andavamamba. Misokatra ho an’ireo ankizy 7 hatramin’ny 14 taona ny fiofanana manokana anatin’ny fialantsasatra. Tsy natao ho fialamboly fotsiny anefa, fa hamohazana ny talenta any anatin’ireo ankizy izany. Tsy vitan’izay fa hanampy azy hahatoky tena, hahay mifanerasera amin’ny namana, hanana saina tia […]
« Vako-Rock » : Andrasan’ny mpankafy ry Erick Tselatra
Nafana, saingy tsy feno ny fiarahana farany. Tsy afaka niaraka tamin’ireo namany ao amin’ny tarika Tselatra mantsy i Erick, nandritra ilay seho « Rock Mandrakizay », natao tao amin’ny Kianja Barea tamin’ny volana marsa. Nampanantena kosa anefa i Erick, fa vantany vao mety ny fahasalamany, hihaona amin’ireo mpankafy ao Antsahamanitra izy. Tonga […]
Mitety vanim-potoana: Fiarahan’ i Inah, Nini Kiaka ary Mbola Talenta
Mozika maroloko. Tsy hita hofaritana mialoha izay hitranga, raha ny mahakasika ny fiarahana an-tsehatra hotontosain’i Inah, Nini Kiaka ary i Mbola Talenta. Hatao anio amin’ny 8 ora alina io, eny amin’ny Résidence Sakay Rouge, Ambohimamory Avarabohitra. Ny azo antoka aloha dia hifototra amin’ny tendry gitara, izay hosahanin’i Mbola Talenta manokana izany. […]





