Fiaraha-monina

Tsy fanjarian-tsakafo : Voakasika ireo faritra tena marefo

Nitombo nandritra ny enina taona nisesy ny tsy fanjariana sy tsy fahampian’ny sakafo ho an’ny ankizy ka nahatonga olona an-tapitrisa ho tafiditra amin’ny faharefoana lalina, araka ny tatitra maneran-tany manoloana ny krizy ara-tsakafo (GRFC). Mampirongatra izany maneran-tany ny fifandonana, ny olana ara-toekarena, ny toetr’andro mahery vaika ka miteraka voka-dratsy ho […]

Fikambanana IYAFP: Fanabeazana ara-pananahana ho an’ny tanora sy ny ray aman-dreny

Any amin’ny faritra Atsimo, 10 na 11 taona dia efa mitondra vohoka ny zatovovavy. Tsy mahalala ny momba ny vatany sy ny fahasalamana ara-pananahana akory ny ankamaroan’izy ireo. Antony nitondran’ny tanora IYAFP fanabeazana ara-pananahana. Enim-bolana ny fahare­tan’ny fandaharanasan’ ny International Youth Alli­ance for Family Planing (IYAFP), izay vondrom-pikambanana tanora misehatra […]

INDRAY MIJERY

Mety hikorontana indray ny toetry ny andro noho ny alondrano vaventy any an-dranomasina amin’ny morontsiraka afovoany sy atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro. Halefaka ny tsiokan’ny varatraza amin’ny tapany voalohany amin’ny herinandro. Tombanana hahazo vahana aorian’izany. Tombanana hitoetra hatrany koa ny orana tandrifin-drahona any amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny […]

VIH/Sida sy ny homamiadana mpahazo ny vehivavy : Hiara-miasa ny ONUSida sy ny Fondation Akbaraly

Nanao sonia ho fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa stratejika ho an’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara sy ny faritry ny ranomasimbe Indianina, tao amin’ny trano iombonan’ny Firenena mikambana, ny ONUSida sy ny Fondation Akbaraly. Mikendry ny hanamafisana ny fidirana amin’ny fisorohana, ny fitiliana ary ny fikarakarana ny VIH/Sida sy ny homamiadan’ny […]

Toamasina: Nomen-danja ireo ankizy marefo

Nisantarana ny hetsika ho amin’ny Iray volan’ny ankizy ny fidinan’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, tany Toamasina. Namangy ireo ankizy marefo mipetraka amin’ny akany izy ireo. Notokanana tamin’izany koa ny trano fatoriana vaovao ho an’ireo zaza tsy manan-kialofana, 5 ka hatramin’ny 8 taona, ho […]