Nifarana ny tetikasa “Safidiko ny momba ny vatako” ho fampivoarana ny fananahana ara-pahasalaman’ny vehivavy manana fahasembanana. Nisahana izany ny fikambanana Afham tao anatin’ny 17 volana. Faritra roa, Alaotra Mangoro sy Amoron’i Mania, no nanaovana ny tetikasa. “Tsy mbola nanana sampan’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara (Afham) ireo faritra ireo. […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nahazo solosaina sy kojakoja manodidina izany avy amin’ny OIT ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hanatsara ny asan’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izany. Tanjona ny hanarenana ny sekoly niharam-boina nandritra ny rivodoza farany teo. Nivadika nangatsiaka tampoka ny andro 3 andro izay. Betsaka ireo olona tsy mahazaka izany […]
karatra biometrika: tsy manaiky ny hanafoanana azy ny mpivarotra
Tsy manaiky ny naoty navoakan’ny PDS an’Antananarivo, manafoana ny karatra biometrika, ireo mpivarotra mivondrona ao anatin’ny fikambanan’ny mpivarotra Ambodinisotry (FMA). «Tsy mety ny hanafoanana ny karatra biometrika satria lasa manala anay ao anatin’ny ara-dalàna ary mamerina anay any amin’ny gaboraraka izany”, hoy ny filohan’ny FMA, Rakotosamimanana Arthur, raha nitafa tamin’ny […]
Rivodoza Gamane: hipaka ao Sava, anio
Nahazo anarana Gamane, omaly, rehefa nahafeno fepetra ilay androratsy ao avaratra atsinanan’ny Nosy. Efa « forte tempête tropicale » ny sokajin’io rivodoza io, omaly, araka ny fanazavan’ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Mikisaka miadana mianavaratra andrefana izy ka mahafaka 5km isan’ora. Manangona hery any an-dranomasina hatrany ity rivodoza ity […]
Fanjarian-tsakafo eny ifotony: tombanana ny asa vita, hanatsarana ny paikady
Zaza latsaky ny 5 taona efatra amin’ny 10 no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, ho an’ny antontanisa nasionaly. Zaza enina amin’ny 100 kosa no voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ary miovaova isaky ny faritra ny tarehimarika. «Any Androy, Atsimo Atsinanana, Menabe no tena ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ». Io […]