Fiaraha-monina

Fikarakarana zokiolona: mandray tanora hianatra asa ny Fimibeama

Mandray olona hianatra asa momba ny fikarakarana zokio­lona ny Fikambanana mikarakara zokiolona eto Madagasikara Fimibeama. Maimaimpoana ny tolotra ho an’ ireo liana sy mazoto. Entanina manokana ny zatovo sy ny tanora hahay handray andraikitra amin’ny sehatra sosialy sy fikarakarana ireo zokiolona mba hahaizany manaja ray aman-dreny. Fanabeazana ihany koa izany […]

Hetsika « Hizara hafaliana » : hanampy ny ankizy trisomika tsy misy mpiahy

Marihina isaky ny 21 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny trisomie 21. Nanomboka ny taona 2017 no nanamarika izany i Madagasikara, miaraka amin’ny fikambanana Syndrom down Madagascar. Andiany fahafito no tan­terahina nanomboka omaly, ary hitohy amin’ ny hetsika maromaro. Tsy aretina ny trisomie 21 fa toe-tena ary mety hiteraka zaza […]

Distrikan’Atsimondrano : namatsy vola 418 805 Euros i Japon

Mitentina 418 805 Euros eo ho eo ny fanampiana ho fanohanana ara-bola ho an’ny taona fahatelo nisian’ny tetikasa “Fanampiana ho an’ny tetikasa madinika ho fitsinjovana ny maha olombelona”. Ny fitsinjovana ny fampanjarian-tsakafo ny ankizy no iompa­nan’ny fandaharanasa ao Atsimondrano. Natao ny alatsinainy teo ny sonia fiaraha-miasa mikasika izany. Nanatanteraka izany […]

Toetry ny andro: ilaina ny antontam-baovao

Hanatanteraka hetsika iarahana amin’ireo mpisehatra momba ny toetr’andro ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro. Manampy azy amin’izany ny mpiray miombon’antoka ho fankalazana ny andro maneran-tany ny 23 marsa ho avy izao. «Lohalaharana amin’ny hetsika mahakasika ny toetr’andro», ny lohahevitra nosafidiana. Hasongadina fa tsy misy hetsika momba […]

Tandindon-doza : manana drafitrasa fiomanana i Madagasikara

Zava-dehibe amin’ny fiatrehana ny loza ny fananana drafitrasam-pirenena. Misy ny fanentanana sy fanapariahana izany ataon’ny mpiantsehatra. Ho an’ny taom-pahavaratra 2023 -2024, nahafahana nampihena ny voka-dratsin’ny orambe sy ny loza ny fananan’i Madagasi­kara ny drafitrasam-pirenena. «Mahakasika ny fiomanana mialoha sy ny tandindon-doza izay nampiharina izany», araka ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitry […]