Fiaraha-monina

Vono olona : Lehilahy voakapaka famaky intelo

Raim-pianakaviana 52 taona hita faty teo ambodihazo somary misy rano miandrona noho ny orabe nikija tao Vohindrotra, fokontany Ivo­loina, kaominina ambanivohitra Antetezambaro, ny alahady 6 jolay teo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana io lehilahy io, raha ny fanadihadiana nataon’ny zandary sy ny mpitsabo teny an-toerana. Nahitana ratra toy ny diam-pamaky […]

Krizy amin’ny fiterahana: Takina ny fahalalahana ara-pananahana

Maro amin’ireo tanora no misafidy ny hanan-janaka. Vitsy kokoa saingy manery ny vehivavy hampifanaraka ny safidiny amin’ny fananahana amin’ny tanjona nasionaly momba ny fiterahana ny governemanta. Nisy ny tatitra nataon’ny UNFPA, izay notanterahina tetsy amin’ny QG an’ny Tanora Ankorondrano, afakomaly. Nambaran’ izy ireo nadritra izany fa manodidina ny 20% amin’ny […]

Kaominina Ivato : Nisongadina ny zava-bita tao anatin’ny 5 volana

Mipaka eny ifotony ny fampandrosoana ary ny vahoaka no laharam-pahamehana ho an’ny kaominina Ivato. Vita avokoa ny lalana sy ny elakela-trano any anaty fokontany maromaro ao an-tanàna. Nanao tatitra ny zava-bita tao anatin’ny 5 volana nitondrany ny tanàna ao anatin’izao fe-po­toam-piasana fahatelo izao ny ben’ny Tanàn’Ivato, Ran­drianarisoa Penjy, omaly. Nisongadina ny […]

HOSOKA bakalorea : Mitondra fanentanana ny minisitera

Ankatoky ny fanadinana bakalorea isika izao. Efa ifanotofana ireo karazana famerenana etsy sy eroa. Mirona manenjika ireny ny tanora. Nanafatrafatra ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy tokony hovoarebirebin’ireo mpisoloky misandoka ho manana laza adina mialoha ny fotoana. Henjana ny sazy ampiharin’ny lalàna ho an’izay tratra manao […]

Nivaly ny fitiliana tany andafy: Manamafy ny fanapoizinana mahery vaika ny fanjakana

Mbola manitrikitrika ny fampanoavana sy ny minisiteran’ny Fahasalamana fa poizina mahery vaika no nahafaty ireo 29 mianadahy teny Ambohimalaza. Manamafy izany ny valin’ny fitiliana natao tany France. Nampahafantarina tetsy amin’ny fitsarana Ano­sy, omaly, ny vokatry ny fitiliana natao tany France, mahakasika ilay tranga fanapoizinana teny Ambohimalaza ny 14 jona lasa […]