Samy nanamafy ny Filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Fitsarana fa tsy maintsy hampiharina amin’ireo mpanolan-jaza ny famosirana satria efa vita ny 26 febroary lasa teo ny « promulgation ». Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa ho an’ny mpitandro ny filaminana an-tanàn-dehibe tany Toamasina, omaly, fa manameloka […]
Fiaraha-monina
Zokiolona : arahina ny tetiandro fizarana fisotroan-dronono
Nivoaka ny tetiandro fizarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona ho an’ny volana marsa. Manaraka hatrany ny fitsinjaran’ny laharana ny fandraisana izany hisian’ny lamina. Hanomboka rahampitso 8 marsa ny fizarana eto amin’ ny faritra Analamanga ho an’ ny eny anivon’ireo perceptions principales (PP), trésorerie principale (TP), Trésorerie Principale Inter-communale (TPIC). […]
Meteo Madagasikara : mikarakara fifaninanana sary
Mikarakara fifaninanana manao sary ny Meteo Madagasikara izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny toetry ny andro. Lohahevitra ny hoe « Lohalaharana amin’ny hetsika mahakasika ny toetr’andro » ary natokana ho an’ny mpianatra 7 hatramin’ny 17 taona. Manao sary mifandraika amin’ny lohahevitra maneho ireo asa sy hetsika […]
WMG sy InnerWheel : vehivavy sahirana 47 nahazo mari-pankasitrahana
Navoaka sy notolorana mari-pankasitrahana tetsy Andraharo ireo vehivavy sahirana. Hoesorina ao anatin’ny fahasaharinana sy hanomezana asa ho azy ireo no tena tanjon’ny fiofanana. Navoaka, omaly, tetsy Andraharo ireo vehivavy 47, andiany faha-12 sy 13. Niofana sy nianatra momba ny fianarana zaitra sy fanaovana “serviette hygiénique” azo sasana izy ireo. Nisy […]
Dr Andrianasolo Naivolalaina Eric : tsy misy antony hangalarana taova
Tsikaritra tato anatin’ny herinandro vitsy ny firaisankinan’ ny sendikan’ny dokotera mpitsabo (SMédFM), amin’ny fitazomana am-ponja ireo dokotera namany. Miray feo amin’ny holafitry ny dokotera ho fangatahana famotsorana azy ireo eo am-piandrasana ny fitsarana. Tetsy andaniny, nanazava ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Naivolalaina Eric, fa raha resaka fitsaboana dia tsy […]