Nisitraka herinaratra sy jiro ny CSB II Ambatofotsy (distrikan’Ikongo). Efa tonga soa amam-tsara any an-toerana ny kojakoja sy ny fitaovana (panneaux solaires, batterie…) hamokarana ny angovo ary efa any koa ireo teknisianina hanatanteraka ny fametrahana izany. Vinavinaina ho vita amin’ny volana aogositra ny asa. Herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro […]
Fiaraha-monina
«Foara Trano» : Miara-miasa ny fanjakana sy ny tsy miankina
Fahombiazana raha ny fanombanana ny hetsika “Foara trano” natao tetsy Mahamasina, ny herinandro teo, niarahana tamin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana (SENVH), niahy ny hetsika. Nambaran’ny sekreteram-panjakana, Andriamahazosoa Gérard, fa laharam-pahamehana ny fiarahana miasa amin’ny sehatra tsy miankina satria manampy sy mamorona ny fanomezana trano ho […]
Bakalorea : Nisy diso ny laza adina, ratsy ny naoty ho an’ny taranja Fizika
Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny fanadinana bakalorea. Taorian’ny fivoriana nataon’ny Commission d’entente, niroso amin’ny asa ny mpitsara. Nandritra ny andro voalohany, nisy ny fimenomenonana avy amin’ireo mpitsara ny taranja Histo-geo sy Malagasy satria tapaka ny herinaratra tao amin‘ny Conaco médecine ka jiro amin’ny finday […]
Amboditandrohoroho : Trano 241 tafo indray narodana
Trano 241 tafo no indray narodana tao amin’ny fokontany Tapakala, kaominina ambanivohitr’ Amboditandrohoroho, distrikan’ i Toamasina II, omaly. Vokany, maro ireo tsy manan-kialofana. Ankoatra izay, tokony tsy noradana ny moske, trano fivavahana ho an’ny mpino Silamo, fa narodana daholo. Nambaran’ ny fanadihadiana fa nahazoana fahazahoan-dalana teo anivon’ny kaominina ny fananganana […]
« Rallye des Industries » : Fahombiazana tanteraka ny hetsika
Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny Novotel Alarobia ny andiany voalohany amin’ny « Rallye des Industries », izay natao ny sabotsy teo. Hitohy any amin’ny faritra ny hetsika. Nandrombaka ny fandresena tamin’ny famaranana lehibe ny ekipa « ABS School – ArBiochem ». Etsy andaniny, ny « Inscae – Star » kosa no nahazo ny isa […]





