Fiaraha-monina

Mamely ny lefakozatra: misy olon-dehibe, malemy tampoka!

Miverina ary mbola tena mamely ny lefakozatra eto Madagasikara. Tsy mifidy taona. Misy ny olon-dehibe malemy tampoka. Hitohy ny fanaovam-bakisiny faobe amin’ity taona ity. Nitsidika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Mialy, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny delegasiona iraisam-pirenena ho famongorana ny lefakozatra. Nahitana ny solotenan’ny Unicef sy ny Sampandraha­rahan’ […]

Certificat Pix: 118 mianadahy nisitraka mari-pankasitrahana

Tanora 118 mianadahy, mpi­anatra, mpampianatra mpikaroka ary mpandraharaha ao amin’ny oniversiten’i Fiana­rantsoa no nahavita fiofanana sy afaka tamin’ny fanadinana, izay ahazoana ny certificat PIX. Notolorana ny mari-pankasitrahana izy ireo, tamin’ity herinandro ity. Manan-kery eo sehatra iraisam-pirenena ny ceryificat Pix. Ny oniverisiten’i Fianaran­tsoa no be mpandray anjara indrindra ka namoaka mari-pahaizana […]

Breeanna Elliott: misy aretina sarotra tsaboina nefa sitran’ny raokandro

Mifototra amin’ny tantaran’ny siansa sy ny fitsaboana eto Madagasikara ny fikarohana ataon’i Breeanna Elliott. Nilaza izy fa maro ny tombontsoa azo amin’ny fitsaboana nentim-pahara­zana ary misy ny karazan’aretina tsy hitan’ny siantifika. Mpianatra mpikaroka ao amin’ny Yale Uni­versity any New Haven, CT i Breeanna Elliott. Mpahay tantara sy mpanao asa fikarohana […]

FOLOALINDAHY : namboly zana-kazo 10 000 fototra

Zana-kazo mitotaly 10 000 fototra niampy masomboly 250 kg nambolen’ny Tafika teny Tamponketsa, distrikan’ Ankazobe, omaly. Ho fanatanterahana ny vinan’ny ­Filoham-pirenena amin’ny famerenana an’i Madaga­sikara ho Nosy maitso, nisantatra ny fotoam-pambolen-kazo ho an’ny taona 2024 ny foloalindahy. Tsy adidy fotsiny ihany amin’ny maha olom-pirenena, “fiaraha-mientana amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny […]

Enin-dahy nitam-piadiana : renim-pianakaviana iray voatsatoka antsy

Naratra vokatry ny herisetra nataona jiolahy enin-dahy nanafika, nitam-piadiana, tao aminy ny renim-pianakaviana iray sy ny lehilahy iray tao Anganomasina, distrikan’ Atsimondrano, ny alin’ny alarobia 21 febroary teo. Niditra an-keriny tao an-tsena ireo jiolahy. Norobain’izy ireo avy hatrany ny vola sy ny entana fampiasa andavanandro tao amin’io tranombarotra io. Noleran’ireo […]