Fiaraha-monina

Ady amin’ny fampiasana ankizy: Mitaky ny fiaraha- mientan’ny rehetra

Notanterahina tany Antsiranana ny fanamarihana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny fampiasana ankizy, ny faran’ny herinandro teo. “Ady iombonana ny fampiasana ankizy ka mitaky fiaraha-mientana, firaisankina ary fiaraha-miasa avy amin’ny mpisehatra rehetra”, hoy ny minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’asa, Razakaboana Hanitra. Nosafidiana ny faritra avaratry ny Nosy […]

Fanambadiana kristianina : Namoaka boky ny VFL-FJKM Ambondrona Firaisana

Tokony homena andraikitra bebe kokoa ireo mpanomana fanambadiana, toy ny mpitandrina, amin’ny fiofanana ho an’ireo mikasa hiroso. Hanampy ny olon-droa amin’ny fiomanana mialoha ny boky novokarin’ny VFL ao amin’ny FJKM Ambondrona Firaisana. Nampahafantarina teny amin’ny FJKM Am­bon­drona Firaisana, ny faran’ny herinandro teo, ny boky novokarin’ny Sampana Vondrona fototra laika (VFL) […]

Tsy mahazaka onjam-piainana : Maro ireo lehilahy mamono tena ao Toamasina

Tao anatin’ny herinandro iray monja, teto Toamasina, trangam-pamonoan-tena roa no niseho ka lehilahy anatin’ny fahatanorana avokoa: ny iray maty raha avotra kosa ny faharoa noho ny fahitan’ny olona azy nitsoraka tao anaty ranomasina. Sendra teny an-toerana ny tovolahy iray mahay milomano tsara ka nitsoraka nanavotra azy. Nikasa hamonono tena izy raha nohadihadiana. […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina tao Mahamasina, omaly, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mponina, izay notarihin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Omeo ny tanora ny fomba entiny hanorenany ny fiainam-pianakaviany, ao anatin’ny tontolo marina sy feno fanantenana. Izany no lohahevitra novoizina. Hetsika maro no nentina nanamarihana izany. Nahazo dabilio […]