Manan-danja ny fampianarana. Antoky ny fampandrosoana ny firenena. Antony nisafidianana manokana ny Anjerimanontolo Ankatso ho toerana hanatanterahana ny fikaonandoha atrehin’ny daholobe, ny 14 aogositra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’ny fihaonana an-tampony faha-45 ny vondrona Sadc. Tombony ho an’ny oniversite ny fandraisana izany, ahafahana mametraka ny lanjan’ny fampianarana ambony sy […]
Fiaraha-monina
Atsimo Andrefana : Tohanana ny fitomboan’ny harinkarena
Efatra andro ny faharetan’ny dian’ny masoivoho amerikanina, Pierangelo Claire, tany Atsimo Andrefana. Niatrika ny fikaonandoha ara-toekarena ho an’ny faritra sady nanohana ny fampiasam-bola amerikanina ihany koa ny tenany. Nihaona mivantana ary nanao angon-kevitra tamin’ireo fiarahamonina tao an-toerana izy. Nitafa taminy ny mpampianatra, manam-pahefana, mpitantana orinasa, mpianatra eny amin’ny oniversite. Nohamafisin’ny […]
fiahiana sosialy : Entanina ny tantsaha
Roa andro ny fampahafantarana momba ny tombontsoa amin’ny fiahiana sosialy ho an’ireo kaoperativa ivondronan’ny tantsaha ao amin’ny distrikan’i Fandriana sy Manandriana. Hetsika iarahana amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanana asa. Azo antoka ny fisotroan-dronono ho an’ireo tantsaha rehefa miditra anatin’ny rafitra fiahiana sosialy izy ireo. Eo koa ny fandraisana an-tanana […]
Latsakemboky ny Fram eny amin’ny EPP: 20 000 Ar isaky ny mpianatra, 60 000 Ar isaky ny ray aman-dreny
Efa mitady vola hanefana ny latsakemboky ny Fram sahady ny ray aman-dreny eny amin’ny EPP amin’izao fotoana izao. Aloa mandritra ny fanoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao ny sora-bola. Hiverina handray ny asany ireo mpandraharaha eny anivon’ny sekolim-panjakana ny 25 aogositra ho avy izao hanomana ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao […]
INDRAY MIJERY
Notanterahina tao Andrainjato, tamin’ity herinandro ity, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Inscae sy ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Votoatin’izany ny hitondrana fanavaozana amin’ny fampandrosoana, izay manome fiofanana manokana eo amin’ny sehatry ny fitantanana sy ny fikirakirana kaontim-bola. Fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fikarohana sy fampianarana ihany koa, ankoatra ny fananganana tetikasa iombonana enti-mampandroso […]





