Fiaraha-monina

Tafika an-dranomasina : hasongadina ny miralenta

Mandalo eto Madagasikara ny tonia mpanatanteraky ny Tafika an-dranomasina amerikanina miasa any Eoropa sy aty Afrika, Juliet Beyler. Hihaona sy hidinika amin’ireo Malagasy tomponandraikitra voakasiky ny filaminana an-dranomasina ny tenany. Hanehoana ny fifandraisana an-dranomasina matanjaka sy maharitra eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. Hanasongadina indrindra ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa […]

Classe intégrée passerelle: mandray ireo manana fahasembanana

Anisan’ny asa nosahanin’ny mpiandraikitra ny tetikasa  « Equal », tontosain’ny fikambanana Autisme Madagascar, ny adisisika atao eny anivon’ny minisitera maromaro: Fahasalamana, Fanabeazana…hanatsarana ny fisitrahan’ny olona manana fahasembanana fiahiana sosialy mifandraika amin’ny filàny. Miara-miasa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fikambanana amin’ny fanapariahana ny “classe integrée passerelle” amin’ny faritra maro eto amintsika. Fametrahana efitrano […]

Lycée teknika: nivoaka ny tetiandron’ny fanadinana

Nosantarina ny 22 janoary lasa teo ary hifarana ny 5 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny anivon’ny Lycée teknika na ivontoeram-panofanana teknika ho an’ny taom-pianarana 2024-2025, araka ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Ho­tanterahina ny 20 sy 21 […]

Sambo “Merci Ships” : natsahatra ny fisoratana anarana

Natsahatra aloha ny fandraisana anaran’olona maniry hisitraka fitsaboana sy fandidiana ao amin’ny sambo lehibe “Merci Ships”, izay miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina efa hatramin’ny 1 febroary lasa teo. 12 andro aty aoriana, tsy misy ny fandraisana anaran’olona ary najanona ihany koa ireo efa natao nialoha ny volana oktobra 2023. […]

Fanararaotana mamoafady: lasibatry ny internet ny ankizy sy ny tanora

Nitady vahaolana momba ny fanararaotana mamoafady amin’ny internet mianjady amin’ireo ankizy sy tanora ireo tomponandraikitra mahefa. Nitarika ny dinika momba ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy sy ny tanora amin’ny alalan’ny internet eto Madagasikara ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Steaphie Arnold, ny faran’ny herinandro teo. Maro […]