Maro amin’ireo tanora no misafidy ny hanan-janaka. Vitsy kokoa saingy manery ny vehivavy hampifanaraka ny safidiny amin’ny fananahana amin’ny tanjona nasionaly momba ny fiterahana ny governemanta. Nisy ny tatitra nataon’ny UNFPA, izay notanterahina tetsy amin’ny QG an’ny Tanora Ankorondrano, afakomaly. Nambaran’ izy ireo nadritra izany fa manodidina ny 20% amin’ny […]
Fiaraha-monina
Kaominina Ivato : Nisongadina ny zava-bita tao anatin’ny 5 volana
Mipaka eny ifotony ny fampandrosoana ary ny vahoaka no laharam-pahamehana ho an’ny kaominina Ivato. Vita avokoa ny lalana sy ny elakela-trano any anaty fokontany maromaro ao an-tanàna. Nanao tatitra ny zava-bita tao anatin’ny 5 volana nitondrany ny tanàna ao anatin’izao fe-potoam-piasana fahatelo izao ny ben’ny Tanàn’Ivato, Randrianarisoa Penjy, omaly. Nisongadina ny […]
HOSOKA bakalorea : Mitondra fanentanana ny minisitera
Ankatoky ny fanadinana bakalorea isika izao. Efa ifanotofana ireo karazana famerenana etsy sy eroa. Mirona manenjika ireny ny tanora. Nanafatrafatra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy tokony hovoarebirebin’ireo mpisoloky misandoka ho manana laza adina mialoha ny fotoana. Henjana ny sazy ampiharin’ny lalàna ho an’izay tratra manao […]
Nivaly ny fitiliana tany andafy: Manamafy ny fanapoizinana mahery vaika ny fanjakana
Mbola manitrikitrika ny fampanoavana sy ny minisiteran’ny Fahasalamana fa poizina mahery vaika no nahafaty ireo 29 mianadahy teny Ambohimalaza. Manamafy izany ny valin’ny fitiliana natao tany France. Nampahafantarina tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny vokatry ny fitiliana natao tany France, mahakasika ilay tranga fanapoizinana teny Ambohimalaza ny 14 jona lasa […]
INDRAY MIJERY
Hetsika « Fijery hafa » ao Analanjirofo. Nisitraka fampiofanana maimaimpoana tamin’ny sehatra isan-karazany ireo tanora miisa 1170 ho fampidirana azy ireo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana. Voaporofo, araka izany, fa miroso amin’ny fampandrosoana iombonana sy lovainjafy i Analanjirofo miaraka amin’ny fanohanan’ny minisitera. Tohana ara-pilana fototra ao Arivonimamo. Nomena tantsoroka miendrika fehezan-karona […]





