Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Hatsangana ny ivontoeram-pandrindrana (CCO) ao Belaza, ao anatin’ny distrikan’Ampanihy. Lehibe sy maoderina izy ity hiatrehina ny loza sy tandindon-doza any atsimon’i Madagasikara, hapetraka amin’ny velaran-tany 5 000 m toradroa. Ankoatra ny trano lehibe ho an’ny CCO, misy koa ny birao sy efitra lehibe ho fitehirizana entana ahafahana mihetsika avy hatrany […]

Matsiatra Ambony- Fampianarana teknika : Olona 1 020 notolorana mari-piofanana

Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionaly hanomezana fiofanana maimaimpoana sy misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika “Fijery hafa”. Anjaran’ ny faritra Matsiatra Ambony ny nandray izany. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Gymnase couvert Ambatomena- Fianarantsoa, ny fanokafana. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa […]

Iray volan’ny ankizy : Ray aman-dreny mandray andraikitra

Natokana ho iray volan’ny ankizy ity volana jona ity. Ni­tondra hafatra mahakasika izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Nanao fanairana ho an’ ireo ray aman-dreny izy mba ho tomponandraikitra feno amin’ ny fitaizana sy ny fiarovana ny zaza anaty fanabeazana feno fitiavana hananany fahatokisan-tena. Lohahevitra voizina […]

Sampana fanantenana – Fiangonana FPVM: Ratsy ny sigara sy ny zava-mahadomelina

Ho fanamarihana ny 31 mey, andro natokana tsy hifohana sigara maneran-tany, nanao hetsika fanentananana, ny faran’ny herinandro teo, teny Analakely, ny Sampana fanantenana eo anivon’ny fiangonana FPVM manana tarigetra miady amin’ny zava-mahadomelina. 300 ny mpikambana ao amin’ny sampana, ahitana ankizy manomboka eo amin’ny 5 taona hatramin’ny olon-dehibe. Fitaizana ny tanora […]

« Aero Expo 2025” : Nampiseho ny fahaiza-manaony ny Tafika ana habakabaka

Miandry ny tohiny ny rehetra! Na roa andro monja aza, nahafantaran’ny mpitsidika ny momba ny Tafika ana habakabaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny “Aero Expo 2025”… Nifarana omaly ny hetsika fampirantiana “Aero Expo 2025” teny amin’ ny tobim-pamaharan’ny Tafika ana habakabaka Base 213 – Escadron hélicoptère Ivato. Fampirantiana ivondronan’ ireo […]