Lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta ny lalàna famaizana ny mpanolana zaza ka tafiditra ao ny famosirana amin’ny fanafody sy amin’ny alalan’ny fandidiana ireo nanao izany. Mitondra fanazavana ara-pitsaboana momba ny famosirana roa voalaza ny dokotera Ratrema Lala Andriatiana, mpitsabo manana ny DES en échographie sady mpahay lalàna. Gazety taratra […]
Fiaraha-monina
Fitaterana Ambohidratrimo-Vassacos : mamaha ny olan’ny mponina ny fisian’ny kaoperativa vaovao
Tsy nanaiky ny fandaminana. Nitokona ny mpitatitra taxi-be eny Ambohidratrimo, omaly. Noho ny fisian’ny kaoperativa vaovao ny anton’ny fitokonana. Nanao fitokonana ny taxi-be mampitohy an’Alakamisy-Vassacos, omaly, rehefa tsy nanaiky ny fampidirana ny kaoperativa hafa miainga eo Ambohidratrimo. Nanazava ny ben’ny Tanànan’Ambohidratrimo, Raherimanantsoa Feno, fa nisy fangatahana nataon’ny kaominina tamin’ny taona 2020-2021 mahakasika ny hiasan’ny kaoperativa […]
CANAL 7 – PLAZA: “Tsy nanatsara ny EPP 15 nifanarahana
15 ny EPP (EPP Andavamamba, Anosipatrana, Analakely, Amboditsiry…) ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra tokony ho nohavaozin’ny orinasa Canal 7. Tafiditra anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa natao sonia ny volana septambra 2016 miaraka amin’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena. Io ny fanazavan’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Tsy niroso tamin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa ireo anefa ny […]
Analamanga: hitohy ny orana
Hitohy hatrany ny orana, indrindra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, ato anatin’ny telo andro manaraka. Mety hahatratra 40 hatramin’ny 90 mm ao anatin’ny 24 ora any amin’ny faritra sasany. Nandefa filazana fampitandremana momba ny habetsahan’ny rotsakorana ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Nanan-kery omaly ho an’ny faritra […]
Fifehezana ny fako: ho mafy ny sazy sy ny lamandy ho an’izay mandika lalàna
Tsy hilefitra amin’ny fanasaziana izay mihoa-pefy amin’ny fifehezana ny fako ny faritra Analamanga. Hihahenjana ny sazy sy ny lamandy. Giazana avy hatrany ireo kamiao mbola tratra manary fako amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Hentitra ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, nandritra ny fambolen-kazo notanterahina teny Analamanga Park, omaly. Mandoa lamandy faran’izay […]