Fiaraha-monina

Filoha Rajoelina Andry: Nizara Vatsy tsinjo tao Ambohimahasoa

Nitohy tamin’ny fizarana vatsy tsinjo ho an’ireo tokantrano sahirana miisa 3 500 ao Ambohimahasoa ny fitsidi­han’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. “Fitia mivaly fitia”, hoy ny filoham-pirenena nandritra ny lahateniny, izay nanamafy ny hanohizany hatrany ireo ezaka efa natomboka ho fitsinjovana ny fiai­nan’ny mponina. Nambarany fa ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny fanatanterahana […]

Teknikam-pambolena “Pfumvudza”: Haparitaka amin’ny sekoly

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny EPP Mahamasina, ny fiofanana ho fampiharana ny teknikam-pambolena Pfumvudza iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana miasa. Tanjona ny hampahaleo tena ireo sekolim-panjakana manana fampisakafoana an-tsekoly amin’ny alalan’io teknikam-pambolena io. Teny Andakana no natao ny fampiharana ny fiofanana mahakasika ny tekinikam-pambolena […]

Hetsika iarahana amin’ny ZRK: Hampiditra tanora an-jatony hiasa ireo Call Center

Hotanterahina etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba, ny 7 hatramin’ny 9 jolay izao ny “Salon de la rélation client et des centres d”appels”. Hisy fandraisana mpiasa avy hatrany amin’izany. Miditra amin’ny hetsika andiany voalohany ny tomponandraikitra. Nam­baran’ny mpikarakaraka amin’ny alalan’ny ZRK Evene­ment, Zina Rakotoseheno, tetsy amin’ny foiben’ny Skiillz, Water Front Ambodivona, […]

Miavaka ny ENS Toamasina: Manofana mpanabe ho an’ny préscolaire

Miavaka amin’ireo sekoly ambony hafa ny ENS Toa­masina amin’ny famaliana ny filan’ny fampianarana sy ny fanabeazana amin’izao vaninandro izao. Manofana mpanabe sy ho mpampianatra amin’ny ambatonga rehetra manomboka any amin’ny kilonga (petite enfance) ka hatrany amin’ny oniversite ny sekoly ambony. Manome fanofanana mitohy (formation continue) ahazoana mari-pahaizana ho an’ireo izay […]

ENS Toamasina : Manofana ho mpanabe sy mpiasam-panjakana amin’ny sehatra marolafy

Sekolim-panjakana ny ENS Toamasina toy ny any amin’ny oniversite hafa. Eo ambany fiahian’ny fanjakana ary manofana ho mpiasam-panjakana hiantsehatra amin’ny sehatra marolafy. Mamo­lavola manampahaizana hiantsehatra any amin’ireo minisitera samihafa ka anisan’ny tsinjovina ma­nokana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Toeram-panofanana ho mpampianatra sy ho mpanabe ny Ecole Nor­male. Niandoha tamin’ny fanofanana ireo ho […]