Fiaraha-monina

Fampandrian-tany: mifanome tanana ny fokonolona sy ny Tafika

Mifanome tanana amin’ny miaramila mpampandry tany ny fokonolona ho an’ny ao amin’ny koaminina roa: Am­ba­toasana Afovoany sy Tam­ponala. Manatanteraka ny hetsika Sivily Miaramila ny Tafika malagasy izay manatona ny vahoaka eny ifotony. Manao ny fisafoana ny tanàna sy ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny izy ireo. Manentana ny fokonolona sy mampahatsiahy ny […]

Toamasina : mpitondra Bajaj mpanary zanaka

Nosamborina omaly ka efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny polisy ilay raim-pianakaviana sy ny vadiny ary ny sakaizan’io raim-pianakaviana io. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandaozana ilay zazakely tao amin’ny Hopitalibe. Efa fanaon-dRabenantenaina, mpitondra Bajaj, ny manary zanaka sy izay vehivavy sakaizany, raha ny fanazavan’i Mamisoa renin-janak’ilay mpamily Bajaj. Ny talata teo, […]

MFA : nametraka politika mahomby amin’ny alalan’ny serasera

Notontosaina teny amin’ny Mess Fiadanana, afakomaly, ny atrikasa nataon’ireo mpikirakira ny serasera eo anivon’ny Foloalindahy malagasy (MFA). Fametrahana tondrozotra mazava mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana no kendrena hanatsarana sy hampivoarana ity sehatra ity. Tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra no nifampizarana ireo sakana na olana rehetra sedraina amin’ny asan-tserasera, eo am-panatanterahana ny asa […]

Fiakaran’ny renirano : 16 ny traboina ao amin’ny kaominina Ampitatafika

Vokatry ny fiakaran’ny rano, manana traboina 16 ny kaominina Ampitatafika saingy efa lasa nody omaly ihany, araka ny fanazavana azo. Tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny vedety ny solombavambahoaka sy ny tomponandraikitry ny Corps de protection civile (CPC) ary ny BNGRC, ny alin’ny talata, nijery ny zava-nisy teny an-toerana. Ho an’ny […]

“YALI RlC” any Dakar : Malagasy tanora 11 no voafantina

Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina ireo Malagasy tanora 11 mianadahy voafantina ho ao anatin’ny andiany faha-23 handray anjara amin’ny fiofanana “YALI RlC”, hatao any Dakar, Senegal. Hita any amin’ny toeram-pampianarana ambony any Kenya, Afrika Atsimo, Ghana ary Sénégal ny “YALI RlC”. Manolotra fandaharam-piofanana ho an’ireo tanora mpitarika eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny […]