Fiaraha-monina

Fanamafisana fahaiza-manao: Nifarana ny atrikasa fanofanana

Nifarana, omaly, ny atrikasa fanofanana ho an’ireo mpisehatra miisa 16, ho fanamafi­sana ny fahaiza-manao (VAE), notanterahina nanomboka ny alatsinainy 30 jona 2025, tao amin’ny Hotel Le Pavé Anta­naninarenina. Hetsika ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ ny minisiteran’ny Fampiana­rana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Unesco. Mi­kendry indrindra ny hanamafisana ny […]

Tsy fahampian-dra : Olana ho an’ny fahasalamana

Natolotra omaly, teny Anosy, ny valin’ny fanadihadiana momba ny tsy fahampian’ny singa mpamelona eto Madagasi­kara (ENCM 2024). Notontosaina ny volana jona hatramin’ny septambra 2024 ny fidinana ifotony tany amin’ny faritra 23. Niompana tamin’ny zaza enim-bolana hatramin’ny 59 volana, zatovo lahy sy vavy, vehivavy mitondra vohoka ary ireo vehivavy afaka miteraka […]

Fampitsaharana vohoka : Hitondra fivoarana ny Farimbona 2.0

Tsy mbola nisy fivoarana ny ady ho amin’ny fanovana ny lalàna mandrara ny fampitsaharana vohoka na inona na inona antony. Nametraka sahanasa vaovao telo ny Nifin’akanga amin’ny Farimbona 2.0. Iarahany miasa amin’ny Amplify Change, mba hampandrosoana sy hanamafisana ny ezaka vita tamin’ny dingana voalohany. Haharitra 24 volana ny fanatanterahana ny […]

INDRAY MIJERY

Fifaninanana « Word Travel Award ». Nandre­sy tamin’ny fanehoana ny maha natiora miavaka sy toerana tsy manampaharoa ho an’ny mpizahatany i Madagasikara. noharahabaina sy nankasitrahana ihany koa ny Andilana Beach Resort. Izy ireo izay nitazona ny anaram-boninahitry ny ranomasimbe Indianina ho an’ny torapasika lehibe indrindra, nandritra ny 10 taona nisesy. Tohana […]

BEPC-Taranja Malagasy: Nahazo naoty tsara ny ankamaroan’ny mpiadina

Efa mizotra ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ ny taranja Malagasy amin’ny BEPC raha vantany vao tontosa izany ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsara ny vokatra satria nahazo “moyenne” ny ankamaroan’ny mpiadina ankoatra ireo tsy nahita hosoratana mihitsy, hoy ny mpampianatra mitsara izany. Tao anatin’ny boky izay tafiditra amin’ny fandaharam-piana­ran’ny kilasy […]