Halefaka ny tsiokan’ny varatraza ato anatin’ny telo andro sy ny fiafaran’ny herinandro. Varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny fisasahan’ny herinandro. Tombanana hitoetra ny orana tandrifin-drahona any Avaratra atsinanan’ny Nosy. Vinavinaina hiverina ny orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka Atsinanana. 8- 26°C ny maripana ny maraina ary eo […]
Fiaraha-monina
Fitantanana loza sy tandindon-doza : Mifanakalo traikefa i Madagasikara sy i Tchad
Tonga maka traikefa eto amintsika mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny firenena Tsadianina. Amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny Fiarovana sivily (DGPC), notarihin’ny tale jeneraliny, Zenab Mahamat Adoum, sy ny mpanolotsaina teknika, ny Lt Colonel Gérard RE, ary ireo mpiara-miasa aminy no nanatanterahina izany. Mbola vao roa taona […]
Fiangonana Rhefi : Hankalaza ny faha-20 taona niorenany
Hankalaza ny jobily faha-20 taona niorenany ny fiangonana Rhefi, izay fiangonana zandriny voasokajy ao anatin’ny Association culturelle. « Hotanterahina amin’ny alakamisy ho avy izao ny fanamarihana manerana an’i Madagasikara fa hisy kosa ny fotoan-dehibe hotronin’ny fiangonana mijoro eto Antananarivo sy ny manodidina, eny Androndrakely », hoy ny filohan’ny fiangonana eto Madagasikara sady […]
Vokatry ny hetsika natao : Zaza 400 000 eo sisa tsy nisitraka fatram-baksiny voalohany
Taorian’ny hetsika faobe manerana ny Nosy, nihena ny isan’ny zaza tsy vita vaksiny mihitsy (zero dose). Tao anatin’ny 12 volana nanaovana fanaraha-maso, tsy nisy tranga vaovao nateraky ny tsimokaretina polio intsony hita eto Madagasikara. «Raha nahatratra 1 200 000 ny isan’ ny zaza tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihitsy na daozy iray aza, […]
Madiro Nosy be : Tany 118 ha hanorenana tanàna
Miitatra any Nosy be ny tetikasan’ny fanjakana tanterahin’ny SENVH. Fananganana tanàna vaovao ho trano fonenan’ny mponina izany. Tany mirefy 118 ha no hanorenana izany tanàna izany any Nosy Be, araka ny nampahafantarina ny mponina, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fidinan’ny filoham-pirenena tany an-toerana. Toeram-ponenana tsara rafitra, misy ny fotodrafitasa […]