Fiaraha-monina

Tetikasa Vatsin’ankohonana- Vohipeno: misongadina ny fiakaran’ny fari-piainan’ ny mpisitraka

Porofo mivaingana amin’ny fikirizana te-hiala anaty fahantrana lalina ny ezaka ataon’ireo ankohonana misitraka ny tetikasa Vatsin’ankohonana ao amin’ny distrikan’i Vohipeno. Tetikasan’ny fanjakana malagasy, arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ary tanterahin’ny Fid, ny tetikasa Vatsin’ankohonana. Misongadina ny vokatry ny fiezahan’ireo ankohonana ta­ny amin’ny kaominina Vohida­va, fokontany […]

Progrès Iarinarivo: nahazo efitrano sekoly 4 fanampiny

Notokanana, tamin’ity herinandro ity, ny efitrano vaovao 4 ao amin’ny sekoly Progrès ao amin’ny kaominina Iarinarivo. Fiaraha-miasa amin’ny ONG Sekoly Masoandro no nahafahana nanao izany, araka ny fanazavan’ny proviseur Ramananirina Beby Rollande. Mamaha ny 80% ny olan’ny sekoly ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Afaka mandray mpianatra hatrany amin’ny 600 izy ireo amin’izao […]

Fanamafisana ny rafi-pahasalamana: hiara-hiasa i Madagasikara sy Etazonia

Natsangana ny 22 desambra 2025 ny komity mpitantana misahana ny fanatanterahana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Notante­rahina omaly ny fivorian’izy ireo voalohany izay mifantoka amin’ny famaritana ireo laharam-pahamehana sy ireo hetsika tokony horaisina hanamafisana hatrany ny rafi-pahasalamana eto Madagasi­kara. Haharitra dimy taona ny […]

Fanovana ny rafi-pampianarana: mangataka fanemorana ny fampiharana ny sekoly tsy miankina

Hiova ny rafi-pampianarana manomboka amin’ity taona ity. Mangataka ny haenomrana izany ny sekoly tsy miankina. Tampoka loatra ny fanovana, araka ny nambaran’izy ireo. Nanatitra taratasy teny amin’ny Dren Anala­man­ga, Nanisana, omaly, ireo fivondronan’ny sekoly tsy miankina eto Ana­lamanga, nahitana ny sekoly FJKM, ny Katolika, ny FLM ary ny Anglikana sy […]

SNPS 2024-2030: hamafisina ny fiahiana ara-tsosialy mampiaty

Hametraka ny Paikady nasionaly momba ny fiahiana ara-tsosialy (SNPS) ho an’ny taona 2024-2030 ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ ny Mponina sy ny fiahiana sosialy. Mifototra amin’ny fana­tanterahana ireo fandaharanasam-panjakana sy fandrindrana ireo rafitra fiahiana ara-tsosialy izany. Mikendry ny hampiroboroboana sy ha­namafisana ny fiahiana sy ny faharetan’ny mponina marefo manoloana ny […]