Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Hetsika fanaovam-baksiny fito no hotan­terahina amin’ity taona ity. “Efatra fanaovam- baksiny faobe ho fanatrarana ireo tsy mbola nahavita ny vaksiny mahazatra. Roa hiarovana amin’ny aretina lefakozatra ary ny iray miaro amin’ny kitrotro”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-baho aka. Mihoatra ny 90% ny taha fahavitana ny vaksiny hisorohana ny valanaretina samihafa […]

Mpanao gazety Judd : mangataka tolo-tanana fa tsy salama

Mangataka tolo-tanana fa marary mafy ka nahiditra hopitaly i Tsaraharivony Judicael, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe “Judd”. Mpanao gazety mikirakira vaovao politika ao amin’ny orinasan-tserasera Gazetiko izy. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, tratran’ny aretin’ny tsy fahombiazan’ny voa (In­suffisance rénale) ny tenany ary efa nahiditra hopitaly teny Befela­tanana. Vokatr’ izay, tsy […]

Lalàna mifehy ny torohay ho an’ny daholobe: Hampihena betsaka ny kolikoly eto Madagasikara

Hanaovana adisisika amin’ny sehatra maro ny volavolan-dalàna mifehy ny torohay ho an’ny daholobe (LAICP). Hitondra ainga vao amin’ny ady amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena ny fahalanian’izany lalàna izany. “Fepetra ahafahana miady amin’ny ampahany betsaka amin’ny kolikoly ny fahalanian’ny lalàna mifehy ny torohay ho an’ny daholobe (LAICP)”, hoy i Reyna Rabeaza, […]

Oniversite – tetikasa « IRF-Tanora » : hitondra fandriampahalemana

Tanterahina amin’ireo oniversitem-panjakana miisa telo, manerana ny Nosy, ny teti­kasa “IRF-Tanora”. Tanjona ny hitondra fanatsarana sy fanamafisam-pirahalahiana eo amin’ny samy mpianatra. Hiantoka ny fandriampahalemana eny amin’ny Oniversite, manoloana ireo disadisa miseho amin’ny endriny samihafa, eo amin’ny samy tanora mpianatra ny tetikasa. Hisi­traka izany ny oniversite telo, ny oniversiten’i Maninday To­liara, […]

Fivezivezena an-tanàn-dehibe : nikaondoha ireo teknisianina

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, afakomaly, ny fikaonandoha nijerena manokana ny fivezivezena an-tanàn-dehibe eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa mihamitombo ny mponina, mivoatra ny filàna eo amin’ny sehatry ny fitaterana an-tanàn-dehibe kanefa mila tsy haharaka koa ny fotodrafi­trasa sy ny fivoaran’ny lalàn’ny fifamoivoizana. Ilaina, noho izany, fijerena manokana azy io, […]