Nampitandrina amin’ny alalan’ny loko mavo ny mpamantatra ny toetry ny andro ho an’ny morontsiraka Boeny, Sofia ary Diana amin’ny fisian’ny rahom-baratra matanjaka. Any amin’ny manodidina ny 300 km avaratra andrefan’ny tanjona Vilanandro (Besalampy) no misy izany rahom-baratra izany. Manakorontana ny toetry ny andro ny fisiany ary mahatonga ny oram-baratra mitsitokotoko […]
Fiaraha-monina
Boriborintany I sy III: nifarimbona nanadio ny mpiara-miasa
Ny faran’ny herinandro teo, niara-nientana nanao fanadiovana faobe ny mpiasan’ny boriborintany voalohany sy fahatelo. Nodiovina ireo toerana manakaiky tsena, ny lalan’ny mpandeha an-tongotra… Nampahatsiahivin’ireo delege eo anivon’ny boriborintany, nandritra ny hetsika, fa manana andraikitra amin’ny fahadiovan’ny tanàna avokoa ny rehetra, na ny mpampiasa lalana, na ny mpivarotra na ny mpiantsena, […]
Faritra Amoron’i Mania : fehezina ny aretina pesta, apetraka ny paikady
Nametraka paikady ny ao amin’ny faritra Amoron’i Mania hamongorana ny aretina pesta. Nentanina amin’ny fahamailoana rehetra ny mponina mba tsy hiitaran’ny fahavoazana. Nidina tany amin’ny faritra Amoron’i Mania ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka, Raharimamonjy Lalie, niaraka tamin’ny ekipany, ny herinandro teo. Nametraka ny drafitra maty paika hiadiana amin’ny valanaretina pesta […]
Orange Digital Center Champions : lasan’i Madagasikara ny laharana voalohany
Norombahin’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny mpianatry ny Mathématiques, Informatique et Statistique Appliquées (MISA), eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny «Digital Center Champions». Ekipa 15 avy amin’ny firenena maromaro no nandray anjara tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena natokana ho an’ny mpianatra ity. Vokatry ny fandresena azon’izy ireo, hisitraka fotodrafitrasa vaovao ho an’ny oniversiten’Antananarivo izy ireo miaraka […]
Mahery vaika i Belal : 250 km ny rivotra entiny
Nanomboka halina, nahazo ny filazana miloko mena, manambara loza mihatra amin’ny fiavian’ny rivodoza Belal ao amin’ny ranomasina Indianina ny Nosy La Réunion, araka ny voalazan’ny prefet ao an-toerana. Nanentana ny mponina rehetra hanao tahiry amin’ny sakafo sy ny rano madio ary hijanona any an-trano ny tomponandraikitra ho fisorohana ny voina […]