Norombahin’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny mpianatry ny Mathématiques, Informatique et Statistique Appliquées (MISA), eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny «Digital Center Champions». Ekipa 15 avy amin’ny firenena maromaro no nandray anjara tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena natokana ho an’ny mpianatra ity. Vokatry ny fandresena azon’izy ireo, hisitraka fotodrafitrasa vaovao ho an’ny oniversiten’Antananarivo izy ireo miaraka amin’ny fiofanana mandritra ny herintaona.
Tanjon’ny hetsika ny hampisongadina ny talentan’ny tanora amin’ny « technologique des jeunes développeurs en Afrique et Moyen Orient » karakarain’ny tambajotra Orange Digital Center MEA. Nojerena koa ny fahaizan’ny ekipa mifanampy anatin’ny asa. Fitambaran’ny mpianatra avy amin’ny oniversite maromaro no nivondrona anatin’ny ekipa iray. Nisy dingana maromaro ny fifaninanana fa notontosaina ny herinandro lasa teo ny famaranana. Nandray anjara tamin’izany ny ekipa malagasy nahitana an’i Rayane, Valdo, Mickael ary i Jeanny izay nibata ny fandresena. Manana talenta ny Malagasy mpianatra ary matetika misongadina amin’ny fifaninanana tahaka izao, indrindra amin’ny lafiny haitao ara-kajy mirindra (TIC). Faharoa i Jordanie ary i Egypte no laharana fahatelo.
Vonjy A.




