Notanterahina tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fampirantiana momba ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, tamin’ity herinandro ity. Manentana ny tanora sy ny vahoaka amin’ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana ny hetsika. Niarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy nanatanteraka ny […]
Fiaraha-monina
Famarinana olombelona: Nahazo fampiofanana ny polisy
Nisitraka fampiofanana manokana avy amin’ny Birao nasionaly miady amin’ny famarinana olombelona (BNLTEH), ny 14 sy 15 mey 2025, ny polisy miasa ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny fifindra-monina (DCM) sy ny sampandraharaha misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna (DPJ). Zava-dehibe amin’ity ady ity ny fampiofanana ny polisim-pirenena satria anisan’ny ivon’ny ady […]
INDRAY MIJERY
Nijery ny lalana RN13, niainga avy ao Amboasary hatrany Taolagnaro ny filohan’ny Repoblika mivady, omaly. Izy no nitondra ny fiara. Adiny iray sy sasany ny faharetan’ny dia hatrany Taolagnaro raha adiny efatra izany teo aloha. Nanamafy koa izy fa hotohizana ny asa fanamboarana ny lalana RN13, miala avy eo Amboasary […]
Otrikaretina sarotra tsaboina (RAM) : Tokony ho lavorary ny fampiasana antibiotika
Natolotra teny Anosy ny valin’ny fikarohana nataon’ny mpikaroka momba ny «Resistance aux antimicrobiens (Ram)». Fiadiana amin’ny firongatry ny otrikaretina sarotra tsaboina na mampiseho endrika fanoheran’ny otrikaretina amin’ny endriny rehetra izany. Nisy ny fanaraha-maso ao anatin’ny fenitra Triumph natao nandritra ny dimy taona fa ny fakana ny singa nohadihadiana kosa notanterahina […]
“Dog show” andiany fahenina : Fampirantiana alika tsara karazana
Hotanterahina etsy amin’ny Zital Ankorondrano, ny sabotsy sy alahady izao, ny hetsika “Mada Dog show”, andiany fahenina. Hetsika fampirantiana sy fifaninanana ho an’ireo alika tsara karazana. “Hiavaka ny seho amin’ity taona ity satria afaka mandray anjara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena izay ankatoavin’ny Fédération cynologique internationale(FCI) ny alika voasafidy tsara indrindra mandritry […]





