Fiaraha-monina

Imerintsiatosika: mpivaro-kena ny iray amin’ireo mpangalatra tratra

Mpivaro-kena ao an-tsenan’i Imerintsiatosika ny iray amin’ireo jiolahy tratran’ny zandary. Noraisim-potsiny teo am-pibatana kisoa avy nangalarina ry zalahy ireto… Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Imerintsiatosika, ny 6 janoary teo ireo jiolahy mpangalatra kisoa. Nahazo antso fanairana ny kaoman­din’ny tobim-paritra fa misy olona ahiahina ho nangalatra kisoa ao amin’ny […]

Tatitry ny asa vitan’ny SMA 503 494m3 ny hadirin’ny fako voatatitra ny taona 2024

Nizotra sy nihatsara ny asan’ny SMA teo amin’ny fitantanana ny fako teto an-dRenivohitra tamin’ity taona ity, raha oharina tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra navoakan’izy ireo. Nanao tatitry ny asa vitany nandritra ny herintaona ny teo anivon’ny orinasan’ny kaominina misahana ny fanadiovana na Société Municipale d’Assainis­se­ment (SMA) eto an-dRe­nivohitra, omaly, teny […]