Fiaraha-monina

Toetr’andro Ahina ny fiforonana andro ratsy

Namoaka ny vinan’ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Am­pan­drianomby. Nisongadina tamin’izany ny fampahafantarana fa heverina ny mety ho fiforonana andro ratsy any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy. Any amin’ny faran’ny herinandro no heverina hiforonan’izany. Arahin’ny Meteo Madaga­sikara hatrany ny fivoaran’ity faritr’andro ratsy […]

SACUA: « Tokony homena fahefana feno ny PDS an’Antananarivo »

Feno 10 taona ny 9 janoary izao ny Sendika autonome eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (SACUA). Ho fanamarihana izany, asiana famantaranora iray lehibe manoloana ny faritry ny Lapan’ny tanàna. Betsaka ny zavatra efa natao sy ireo sedra no­la­lovan’ny fikambanana tao anatin’izay fotoana izay. Efa voavaly avokoa ny 80%-n’ ireo fangatahan’ny […]

Lalana Ambohitrimanjaka: tsy voafehy ireo mpanaha vary, mpanasa fiara…

Fotoana fiakaran’ny vary aloha eny amin’iny lemak’Ambo­hitrimanjaka iny izao. Miverina indray ny fanahazam-bary amin’ny arabe. Tataovan-doza na ireo mpanahy vary na ny fiara mivezivezy amin’iny lalana iny. Natao handehanana mafy ny lalana mikodana miainga eny Ankasina mandalo ny tetezan’Ambohitrimanjaka mivoaka an’Andranotapahina iny. Tena mirimorimo ny fiara satria natao ialana amin’ny […]

Fahasalamana: hiverina hiasa eto Madagasikara ny sambo hopitaly Mercy Ships

Manomboka anio hatramin’ny 17 janoary ny fandraisana marary vaovao hanaovana fizaham-pahasalamana mialoha ho an’ireo olona maniry ny hisitraka fandidiana amin’ilay sambo hopitaly Mercy Ships. Hatao ao amin’ny hopitalibe Analakininina sy ao amin’ny CHU Morafeno izany fizaham-pahasalamana mialoha izany. isaky ny alatsinainy, talata, alakamisy ary zoma Hiverina hiasa ao Toama-sina indray […]