1 200 000 no isan’ny ankizy mahazo tohana sakafao any an-tsekoly. Mampazoto ny mpianatra hilofo bebe kokoa izany, andaniny. Mampiroborobo ny varotra anatiny, ankilany. Hampitomboina 10% isan-taona ny isan’ny mpianatra hisitraka ny sakafo any an-dakilasy, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle, omaly, teny Ivandry. 1 200 000 amin’izao fotoana ny mpianatra mahazo […]
Fiaraha-monina
Areti-mifindra: niampy 20 ireo manampahaizana manokana
Notolorana mari-pahaizana ny faran’ny herinandro teo, ireo manampahaizana manokana momba ny areti-mifindra, rehefa nahavita fianarana sy fandalinana mahakasika izany. Hisahana ny fitiliana sy fandraisana an-tanana ary fisorohana sy famaliana amin’ny fomba mahomby kokoa ny hamehana ara-pahasalamana mikasika ny karazan’areti-mifindra izy ireo. Efa nahita trangan’aretina lefakozatra tsy voatily maherin’ny 130 izy […]
Olan’ny oniversite: mitondra fanazavana ny Profesora Gilbert
Seces tia vola! mampikatso ny fampianarana! Izany no fiampangana ny Seces amin’izao fotoana. Mitondra fanazavana ny mpampianatra mpikaroka, ny Profesora Gilbert, sekretera jeneralin’ny Seces nasionaly nandritra ny “sit-in” nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. ‘‘Tsy maharaka ny zavatra tokony hatao ety amin’ny oniversite ny fanjakana. Tsy araky ny tokony ho […]
Iray volan’ny Alzheimer: hetsika maro hampahafantarana ny aretina
Aretin’ny zokiolona efa maherin’ny 60 taona matetika ny Alzheimer. Manomana hetsika maro ny fikambanana Masoandro Mody hampahafantarana ny aretina mandritra ity volana septambra ity. “Tsy diso aloha loatra, tsy mbola tara loatra, alaviro dieny izao”. Io no lohahevitra amin’ny fanamarihana ny iray volana ho an’ireo mararin’ny aretina Alzheimer amin’ity volana […]
Fahasalaman’ny voa Zava-dehibe ny fandaminana ny diabeta sy ny tosidra
Lasa aretina mateti-pitranga ny aretin’ny voa, ankehitriny . Mitondra fanazavana mikasika izany ny Profesora Randriamanantsoa Lova. Mandrindra ny tosidra, manary ny loto anatin’ny vatana ary mamorona ny selamena anaty ra no asan’ny voa. Azo sokajina ho roa ny tsy fanaovan’ny voa ny asany, raha ny fanazavana entin’ny profesora Randriamanantsoa Lova. […]